Tombanana ho velarantany azo volena sady mahavokatra mihoatra ny 6000 ha no jerempotsiny ao Menabe. Mikorontana ny fitantanana ny tambazotra avy ao Dabara, tsy ampy ny rano noho ny tsy fanarahan-dalàna. Ny tantsaha madinika sy ny toekarena no mizaka ny vokany.
Hita maso ny vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro
Manondraka tanimboly ary manampy ny tantsaha amin’ny fivelomany ny tohodranon’I Dabara hatrizay, kanefa niova ny toe-javatra. « Veloma Morondava namboly ka namokatsy in-telo isan-taona iny, tantara sisa, tonga soa Morondava mividy vary lafo 600 Ar ka hatramin’ny1000 Ar ny kapoaka ». Toa izany ny fanehoan-kevitr’i Noarison, mpamboly isany sangany ao Androvabe, Kaominina Bemanonga, raha mamintina ny zava-misy eo amin’ny Dabara ny tenany. Ampolotaonany izay no tsy voatondraky ny rano avy amin’ny tambazotra Dabara ny tanimbariny. Maina tanteraka.
Voa mafy daholo ireo tantsaha mpamboly ao amin’ny faritra Delta (hatreo amin’ny fiolanana mankany Belo sur Tsiribihina ka hatrany Morondava). « Efa ho roa taona no tsy namboly ny tapany andrefan’ny faritra anelanelany na zone intermédiaire, hatreo amin’ny “croisement” Belo sur Tsiribihina mandalo ny Kaominina Analaiva manontolo mipaka hatreo amin’ny toerana nambolena voasary taloha eo Bezezika ao antin’ny Kaominina Bezezika Distrika Mahabo », hoy indray i François Ralairavo, mpamboly vary ao Soatanàna Fokontany Ampandra Kaominina Analaiva.
« Ampy raha ny rotsak’orana ato Menabe, 200 – 300 ml » Hoy Mamisoa Andrianjafy lehiben’ny sampana famatarana ny toetr’andro ao Menabe. Nanampy fanazavana anefa izy fa « orana tokony hilatsaka ao anatin’ny telo volana dia mirotsaka ao anatin’ny roa na telo andro dia mikoriana any anaty ranomasina fotsiny ».
Olana goavana manampy trotraka izany ny fahatsentseman’ny fasika ny lakandrano. Marihina fa sola tanteraka ary lasa tany hay ireo ala teo amin’ny faritra ambonin’ny dabara noho ny nataon’ireo mpiavy namadika izany ho famboleana katsaka.
Miteraka olana ny “tour d’eau”
Mba samy hahazo anjara rano, amin’ny fotoana tsy mahampy izany dia irosoana ny fifandimbiasana, fantatry ny maro amin’ny hoe « tour d’eau ». Ifanarahana fa misy fotoana alefa aty ambany ny rano dia tapenana daholo ireo « prises » rehetra any amin’ny faritra ambony.
Ny zava-misy anefa dia tsy voahaja izany fandaminana izany. Voatery atao sodira ireo « Vanne de glissement pour la sécurisation » (VGS) izay fitaovana ahafahana mifehy ny fatran’ny rano. Nanambara anefa i Faratahiry Njarasoa Marie Claudia, teknisiana ao amin’ny servisin’ny « Génie Rural » ao Mahabo, servisy iray ao amin’ny fitaleavamparitry ny ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana Mahabo izay miandraikitra ny Dabara fa « vao miala eo ny ekipa manao sodira dia efa misy manala ny sodira izay natao ». Tsy misy na dia iray anefa sahy mijoro manonona ireo mpanao izany fa toa lasa mpiray tsikombakomba ny rehetra. Tsy latsaky ny 300 000 ariary isaky ny mametaka anefa ny vola ilaina amin’izany sodira izany farafahakeliny.
Ho fandavorariana ny fiarovana ny VGS dia naka miaramila hiambina ny federasiona nampian’ny mpiara-miombon’antoka. Raha vao nijanona anefa ny fiambenan’ireo dia miverina indray ny fanimbana ary tsy mbola ahitana vahaolana mahomby hatramin’ny androany.
Miahiahy fisian’ny kolikoly sy tsindry
Toy ireo tantsaha hafa tojo anay, dia mihevitra i François Ralairavo, mpamboly ao Soatàna Ampandra fa « tsy sahy mandray andraikitra ireo manampahefana sy tompon’andraikimpanjakana eto amin’ny faritra sao hisy fiantraikany amin’ny asany». Ho an’i Noarison, mpamboly avy ao amin’ny canal B, Androvabe, kosa dia ny hoe : « tsy misy mpiraharaha izahay aty amin’ny Delta satria tsy misy mpanambola na manampahefana matanjaka mamboly aty aminay fa izahay tantsaha ihany ka tsy misy mpimegnatsy».
Samy miaiky anefa ny rehetra fa misy ireo « prises » tsy manara-dalàna ireo. Manazava Andrianiarinera Hajanirina Serge, Talemparitry ny Fambolena sy Fiompiana (DRAE) Menabe fa « ho esorina daholo ireo prises pirates ireo aorian’ny fametrahana ny birao vaovaon’ny federasiona ». « Ho sarotra izany » hoy Eric, filohan’ny « zone intermédiaire : “tsy vao androany no niatrehana io olan’ny prises pirates io fa isak’izay hikitika ireo “prises pirates” ireo dia arangaranga ny fahantrana. Io no vahaolana lazain’ireo tantsaha mahazo tombontsoa amin’izy ireo fa hamelomany ny tenany sy ny taranany satria tsy misy ny asa » Ho an’ity filohan’ny “zone interméditaire” ity dia “ny fisakanana ny fiforonany no vahaolana”. Ireo mahazo rano amin’ny « prises” ara-dalàna koa anefa tsy mety manome rano ireo tsy manara-dalàna raha ho foanana ireo.
Ny eo anivon’ny fitaleavamparitry ny Fambolena sy ny Fiompiana dia milaza fa « tsy mahalala ny isany sy ny toerana misy ireo “prises pirates” satria tsy misy tantsaha mitoroka izany fa mimenomenona fotsiny ». Tsy misy sahy tena mamaky bantsilana noho izany ny olan’ity « prises pirates » ity ny rehetra noho tahotra sy ny tsy fandriampahalemana, nefa dia samy miaiky fa olana goavana mikiky ny Dabara izy ity. Milaza koa ny Prefet, Filoha mpiara-mitantana ny komity mpiahy izay mitantana vonjy maika ny tambazotra fa « tsy mahalala ny fisian’izany satria tsy misy mahasahy manonona na dia anarana iray aza izay tonga eto amiko ».
Ny fanadihadiana natao no nahalalana fa isan’ireo mampiasa “prises pirates” mba hanondrahany ny tany voleny ny Jeneraly Polisy misotro ronono Masomany Richard. Nanambara izy fa « nanao fangatahana tamin’ny biraon’ny federasiona tamin’ny taona 2016 izy ho fanajana ny ara-dalàna ». Noraisin’ny Filohan’ny Federasiona tamin’izany ny fangatahany, kanefa dia natao “andraso andraso” lava. « Izaho te-hamboly, hoy ihany izy, dia tonga dia nataoko ny fametrahana buses miisa 40 hanondraka ny taniko izay 37 ha tsy mahazo rano ». nanambara izy fa azy irery ity “prise pirate” ity. “Notabatabaina ny tenako, kanefa maro ireo “prises pirate” toa jerem-potsiny » araka ny voalazany. Ampahan’ny taniny moa no voatondraka hatreto.
Tsy voahaja ny lamina fanangonam-bola
Goragora koa ny fitantanam-bolan’ny tambazotra. 5.000 Ar isan-taona isaky ny tantsaha ny latsakemboka ary 120.000 Ar/ha voavoly kos any sara-pikojakojana, izay ao anatin’ny fitsipiky ny Federasiona Dabara. Ny “délégués de prise” no tokony hitaky ny vola. Tsy izany anefa no zava-misy ; “ny filohan’ny zone no manao izany ary tonga dia manao fandaniana tsy misy fanamarinana izany vola voarainy izany”, raha ny resaka heno avy amin’ny loharanombaovao nisafidy tsy hotononina anarana. Manana lamina manao an-tanatohatra moa ny tambazotra Dabara. Eny anivon’ny fokontany no misy ny Fikambanan’ny Mpampiasa ny Tambazotra (FMT), ivondronan’ireo mpampiasa rano ao anatin’ny fokontany ka tarihin’ny filohany izay voafidin’ny mpikambana. FMT maromaro miray « prise » no tantanin’ny « délégué de prise ». Rafitra kaominaly ary ny biraon’ny federasiona no vovonana mampitambatra ny mpampiasa rano ao anatin’ny Distrika Morondava sy Mahabo izay tondrahan’ny lakandrano mirefy 52,1km hatreo amin’ny fizarandranon’i Marovoay ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Bemanonga. Raha ny tokony ho izy dia ireo « délégués de prises » no mpitaky vola ka manatitra izany eo amin’ny mpitahiry volan’ny Federasiona.
Ny fitantanana antsoratry ny fivorian’ny federasiona ny 10 septembra 2021 dia manonona ny anaran’i Laody dit Eric Filohan’ny zone intermédiare ho mpanao izany fomba izany ary mbola manao fitakiana vary sy vola hafa koa. Nandà izany fiampangana azy izany i Eric ka nanazava fa « io vola nalaiko io dia vola nifanarahanay samy tato amin’ny « zone intermédiaire » izay tarihiko mba ho entinay miasa any anaty lakandrano satria tsy misy ny vola ho amin’izany. Fanaonay ny mivory ary mahavory olona tokoa aho ary mahazo ny fitokisan’ireo olona tarihiko ireo. 20 000 Ar isaky ny prises no naloa ary dia zaho no nitaky azy mivantana ».
Mijoro ny komity mpiahy
Eo anivon’izany tontolo izany no miasa ny komity mpiahy izay mitantana vonjy maika ny tambazotra raha mbola tsy voafidy ny mpikambana ao amin’ny federasiona. Ny Prefet ao Morondava sy ny Governora ao Menabe no miara-mitantana izany ka mpikambana ao ny avy ao amin’ny Fitaleavamparitry ny Fambolena sy ny Fiompiana Menabe, ny ao amin’ny Servisy Génie Rural, ireo ao amin’ny « Organisme Mixte de Conception » (OMC) izay ahitana ireo mpitandro ny filaminana sy ny Fitsarana ary ireo Ben’ny Tanàna mampiasa sy lalovan’ny lakandranon’ny Dabara.
Miandraikitra ny fampandehanan-draharaha sy manomana ny fametrahana ny biraon’ny Federasiona hitantanana ny tambazotra Dabara vaovao no tena iandraiketan’ity komity mpiahy ity. Vahaolana tsy hisian’ny fahambangana amin’ny fitantanana ny lakandrano amin’ny fotoana fahambangan’ny rafitra federasiona ity komity ity.
Hoy ny Talemparitry ny Fambolena sy Fiompiana Menabe : « tsy maintsy atao ny fanadiovana ny fitantanana ity tambazotra ity” ary “tsy maintsy ho esorina daholo ireo prises pirates rehetra”.
Mbola misy ve fanantenana ?
Feno fanahiana ny tantsaha. Tsy vitsy ireo izay efa mivarotra ny taniny maina amin’ny vidiny mora, indrindra ireo manamorona ny lalam-pirenena. « Tsy manantena an’i Dabara intsony izahay » hoy Noarison fa raha hanao ny Fanjakana na ny mpamatsy vola dia “forages” telo apetraka ho anay ao Androvabe sy Androvakely ary Antsakamirohaka », hoy ihany izy.
Ao koa anefa manantena ny fametrahana « bassin de retenue » hitahirizana rano hanampy tosika ny ao amin’ny lakandrano Dabara. Velarantany 20 000 ha no hovoatondraka raha tahiny ka vita izany. Raha ny fantatra nandritra ny fanolorona izany vahaolana izany tamin’ny 5 oktobra 2022 tao Morondava dia mitentina 113 miliara Ar ny fanorenana « bassin de retenue » hitahirizana rano ao amin’ny Kaominina Ampanihy, ny fametrahana tohadrano any Tandila sy Kabatomena hamelomana ny lakandranon’ny Bedimaky, izay hanampy ny fanondrahana ny zone Delta ary ny fanaovana ireo asa maika. Efa mandeha kosa ny asa maika dia ny fanalana fasika manentsina ny lakandrano, ny fanarenana ny moron’ny lakandrano. Mampiasa fitaovana vaventy sy asa tanamaro ny orinasal Tsaralaza avy any Antananarivo izay nahazo ny tolobaro-panjakana amin’izany.
Naboto / Mazava Volana.