Hitombo avo 2 800% ny vokatry ny fitrandrahana grafita ataon’ny orinasa indianina Tirupati ao anatin’ny dimy taona, raha ny fanazavan’ity solontenan’ity orinasa ity. Efa tamin’ny martsa 2019 no nanomboka ny fitrandrahana tao Sahamamy ary tamin’ny 2021 kosa ny tao Vatomina, samy ao amin’ny distrikan’i Brickaville. Ny mponina ifotony sy ny manampahefana eny an-toerana kosa anefa, milaza tsy mahafantatra izay vaovao sy fifanaharana momba izany.
Olombitsy no migoka ny tombotsoan’ny fitrandrahana grafita ao amin’ny distrikan’i Brickaville, ary manjavozazavo ho an’ny mponina sy ny manampahefana izay tombotsoa avy amin’izany fifanarahana izany. Ireo manampahefana natonina tany amin’ny Faritra Atsinanana dia samy milaza fa voadingana tanteraka ka tsy mahara-baovao sy tsy mahara-maso amin’ny fitrandrahana grafita ao Brickaville. Milaza ny lehiben’ny Distrikan’i Brickaville, Toalina Zafindrabary, fa tsy nampahafantaran’ny orinasa mpitrandraka sy ny Ministeran’ny Harena ankibon’ny tany azy ny fisian’io fitrandrahana grafita io, izay ao amin’ny fari-piadidiany. Manamafy koa ny lefitry ny lehiben’ny distrika “Tsy nampahafantarina na inona na inona izahay”.
Herinandro vitsy no niara-namolavola ny taratasy fitarainana ireo olom-boatendry sy voafidy tany an-toerana, kanefa dia tsy nisy vaovao matotra nomena ny mponina : “Tsy mazava ny nahatongavan’ireo orinasa ireo tety aminay. Mifamaofao koa ny nazahoana alalàna nahafahany manao “sondage” ny velarantany amina heiktara maro. Matoa manao “sondage” dia mbola vao mijery kanefa toa efa mitratrevatreva tahakan’ny efa manana taratasy fahazoan-dalana sahady. Heverina fa misy lava-tanana ao ambadik’izany”, hoy ny fitarainan’i Roger Manase, izay monina ao Tanandava, ao amin’ny fari-pitrandrahana.
Bodongerona
Manamafy ireo teratany Indianina mpanao “sondage” fa efa nahazo alalana tamin’ny manam-pahefana. Kanefa ireo tompontany sy ny lehiben’ny fokontany ary ny Ben’ny Tanana any an-toerana manizingizina fa tsy nisy teny ierana tamin’ny mponina ary tsy nahazo fampahalalana akory izy ireo, mibodo tany avy hatrany. Isan’ireo I Jean Claude Velo, izay nilaza fa “nandritra ilay fakan-kevitra tampoka notanterahin’ny olom-boafidy dia, nisy tamin’ireo mponina no nanaiky. Ireto farany anefa tsy tena tantsaha, tsy manana tany voakasikin’ny fitrandrahana akory. Ahiana raha nahazo tambiny manokana ireo adian’olona ireo. Misy amin’izy ireo no efa tafiditra miasa amin’ilay orinasa ary ireo olona tsy very tany noho ny fitrandrahana no noraisin’ny Tirupati ho mpiasa”.
Sary 3
Légende: Mponina mitaraina
Voatonina mateteika nandritra ny resaka nifanaovana tamin’ny mponina manodidina ny toerampitrandrahana ny Ben’ny tanana an’Ambinaninony, izay ahian’ireo mponina ireo ho voasaringotry ny kolikoly. Adihevitra izay nahatonga disadisampiarahamonina teny an-toerana. Nilaza anefa io olom-boafidy io fa “isan’ny lasibatry ny fitrandrahana ny fokontany sahaniko, ka tsy marina ny feo mandeha fa nandray vola aho. Tsy marina koa ny voalaza fa hoe efa misy fotodrafitrasa tafatsangana any ho any ho setrin’izany fitrandrahana izany. Tsy mbola nisy velively izany fotodrafitrasa tafatsangana izany”
Ny fakan-kevitra tany ifotony no nampilamindamin-dratsy ny toe-draharaha izay itakian’ny mponina marimaritra iraisana. Manazava moa ny Ben’ny tanàna an’Ambinaninony fa “ao anatin’ny toeram-pitrandrahana nahazoan’ny orinasa alàlana ireo anaovany sondage amin’izao fotoana izao.”
Samy tsy nahazoan’ny mpanao gazety angom-baovao na avy amin’ny Ministera mpiahy na tamin’ny orinasa mpitrandraka Tirupati Graphite Venture Madagascar. Niezaka nangataka izany tamin’ny alalan’ny fomba maro tahaka ny fakana vaovao anaty toeram-piasana, mailaka, tambazotran-tserasera saingy nihidy tanteraka ny varavarana. Toy izany koa ny tomponandraikitrin’ny orinasa teny ifotony.
Hatreto, dia manjazavozavo tanteraka ny momba ny fifanarahana mahakasika ny fitrandrahana io grafitan’i Brickaville io. Tsy mazava ny tombotsoa azon’ny mponina sy kaominina Sahamamy sy Vatomamy, ary ny faritra, satria dia giazana hatrany ny antontambaovao. Tsy hita taratra amin’ny tranonkalan’ny orinasa koa ny karazana haba alohany sy ny fandraisany anjara amin’ny fananganana fotodrafitrasa ara-tsosialy, hositrahan’ny olompirenena any amin’ny manodidina. Ahiana koa fa tsy araky ny fanjakana ny fanaraha-maso ny vokatra kanefa ny orinasa milaza afapo tanteraka.
Mihevitra ny Tirupati fa miantoka ny tombotsoan’ny fitrandrahana tanteraka ny lalàna mifehy ny harena ankibon’ny tany eto Madagasikara. Avo lenta ny vokatra, avy amin’ny fitobiana voajanahary ankibon’ny tany izay hita faritra ka mora zohina.
Voalaza anefa fa mitombo ny fitrandrahana grafita, raha ny fanambarana ofisialy manoloana ny tinady iraisampirenena sy ny mpifaninana. “Vina ny fampitomboana ny fitrandrahana ao Vatomina izay nanomboka ny taona 2021 hanampy an’i Sahamamy efa hatramin’ny taona 2019. Hampiakatra 84 000 taonina isan-taona ny taona 2024 no tanjona lavitr’ezaka”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Tirupati Graphite, Shirshir Poddar, araka ny fanambarany ny taona 2021.
Notsipihiny fa niampy ny vokatra isan-taona avy ao Vatomina izay mahatratra 9 000 taonina, 3 000 taonina kosa ny tao Sahamamy, ka heveriny fa dingana fohy ezaka ho tetezamita amin’ny lavitrezaka afaka telo taona izany.
Amin’ity taona 2022 ity, mananika ny 30 000 taonina ny vokatra. Tsiahivina fa ny telovolana faharoan’ny 2021, fanombohana ny fitrandrahana tao Vatomina no nitondran’ny orinasa avy any Inde ny milina fanivanana mahavita 15.000.000 taonina isan’ora, izay hita amin’ny sary.
Mampitombo vokatra ny mpitrandraka fa miabo hatrany ny tinady amin’ny fampiasana ny grafita ho amin’ny haitao, indrindra ny vatoaratra: 70 kg ho amin’ny fiara elektonika, 5g ho ana finday, 90g kosa ho ana solosaina entin-tanana.
Maro amin’ny orinasa no mampiasa ny grafita ho akora fototra amin’ny pensily hazo. Eo amin’ny sehatry ny fiara, fandrendrehana vy, famokarana herinaratra. Anisan’ny ampiasan’ny mpitsabo ihany koa ho fanalana poizina amin’ny alalan’ny fihinana azy.
Noho ny fidangan’ny filàna maneran-tany, ankoatra ny voajanahary, nahazo vahana ny fikarohana grafita artifisialy, indrindra ny taona 2020 izay notarihin’i Acheson ka ny firenena matanjaka tahaka an’i Alemaina, Frantsa, Japana, Grande Bretagne, Aostralia.
Ho voatrandraka koa ny fasana, ny voly fanondrana, ny trano fonenana
“Tandindomin-doza ny toerana nanitrihana ireo ray aman-dreny efa niamboho.” Io no fanambaran’i André Rakoto. Voalazany fa manitatra maka santionany mihazo an’ny Toamasina ny orinasa Tirupati.Notanisain’i Jean Claude Velo ireo tanana voakasika ankehitriny: “Efa mihitatra tsikelikely an’Ambodihintsiny, any amin’ny farany atsimo sy atsinanan’i Brickaville ny fitrandrahana. Mirona mankany Antopiana ka ny ankamaroan’ny fokontany 16 ao amin’ny kaominina Ambinaninony dia atahorana ho lasibatra avokoa. Hipaka any Toamasina II ity fandavahana ny tany ity.”
Lalina ny lavaka hitrandrahana, mihatra hatrany amin’ny taolan-tany ny fihazana grafita ka tany fasihana sy vatoina tsy hamokatra intsony no vantanin’ireo tompontany aorian’ny fitrandrahana. “Mahatratra 10 metatra ny halalin’ny sondage, ary 3 metatra ny savaivon’ny lavaka. Vao fakana santionana tany anefa izany, efa lasibatra sahady ny fototra lavanila, jirofo, leitisy, akondro. Maika moa fa tena fitrandrahana”, hoy i Gilbert Fingahy, solontenan’ny mponina ao Sahalagnary, fokontany Tanandava, kaominina ambanivohitra Ambinaninony. Anaty tany mena lalina ny graphite izay zohian’ireo mpitrandraka, ka ahiana ihazo hatrany amin’ireo tanàna sy trano fonenana. Araka ny nambaran’ity tangalamena ity izay efa hatramin’ny taona 1972 no nanajary.
Avy any amin’ny faritra maro lavitra tahaka an’i Vohipeno no nitondran’ireo tantsaha ny ambiokan’ny voly fanondrana. Raha ny fampitam-baovao avy amin’i André Rakoto, mahavokatra jirofo 1,5 taonina, taonina roa ny kafe isan-taona ny fianakaviana mpamboly iray amin’ny ankapobeny; 100 taonina kosa ny fary, leitisia sinoa tafakatra 1 taonina, leitisia gasy 50 taonina. Manodidina ny 500kg isam-bolana kosa ny akondro vokarin’isan-tokatrano.
Ankoatra ireo vokatra amidy, resy lahatra ny mponina an’aliny maro fa ho potika ny voly mangahazo, katsaka, vary an-tanety izay miantoka ny foto-tsakafon’izy ireo. Iny faritra andrefan’ny Toamasina II sy Brickaville iny no mpamatsy ny ankamaroan’ny tsindrin-tsakafo ny renivohitr’i Madagasikara. “Akondro 50 hatramin’ny 100 taonina isam-bolana no vokarin’ny Salanary ka aondrana mahazo ny Renivohitra.” Hoy i François Zafiny, raim-pianakaviana iray mpiavy mandranto varotra any amin’ny Faritra Atsinanana. Hsy fiatraikany ka hiaka-bidy araka izany ny voankazo eto andrenivohitra.
Etsy andaniny, nambaran’ny tantsaha sy mpanangom-bokatra fa migoka ny vokatry ny tany amin’ny latsak’emboka sy ny haba ary ny hetra ny kitapom-bolam-panjakana foibe, ny Faritra, ny Distrika ary Kaominina maro izay ahitana ireo alam-potsy na ala voajanahary miaraka amin’ny fambolena.
Sandaina 4.0000 ariary ny fototra hazo fihinamboa
Efatra arivo ariary no ividianan’ny orinasa mpitrandraka ny fototra leitisia vaventy izay mahavokatra 30 garaba amin’ny taom-pamokarana iray monja, raha ny filazan’i Gilbert Fingahy. Tsy manaiky lembenana mandray io lelavola 4.000 ar. io ny tantsaha. Heverin’izy ireo fa tsy ampy vidin’ny vokatra taona iray akory io.
Nijoro vavolombelona, i Jean Claude Velo, mpamboly ao Tanandava Ambinaninony fa 10 tapitrisa ariary monja no nomen’ny orinasa ny isam-pianakaviana, ao avaratra kelin’ny fitrandrahana ao Vatomina, ho sandan’ny tany amam-polony hektara saingy tsy nanaiky ireto farany. Voalaza fa nihato aloha ny fitrandrahana amin’izany faritra izany, mbola miady varotra ireo mponina. Renim-pianakaviana iray no nanamafy fa mananararaotra ny toerana kizo anaty kirihitra sady saro-dalana ny mpitrandraka ahiana hihoa-pefy.
Mitrandraka 8km2 tsy nahazoan-dalana i Tirupati
Araka ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny Bureau du Cadastre Minier de Madagascar (BCMM), Arison André Lovasoa, teny amin’ny toerampiasany teny Ivato, ny 4 Febroary teo, dia nahazo alalana tamin’ny dingana ho amin’ny fitrandrahana grafita ny Tirupati graphite venture Madagascar Sarl ny 18 desambra 2015. Manankery hatramin’ny 17 desambra 2055 izany ary azo havaozina. 13 carrés ao amin’ny kaominina Ambalarondra sy 51 carrés ao Ambinaninony no azony trandrahana, samy ao amin’ny distrikan’ny Brickaville, faritra Atsinanana. Mahatratra 64 carrés ny fitambarany, ka ny efamira iray dia 625 metatra. Raha ny vaovao ofisialin’ny Tirupati kosa dia 33 km2 no trandrahana azo asiam-panaovazana mandritra ny 40 taona. Raha ny fetra farany ambony azo trandrahana (quota maximum par titulaire) kosa dia 2 560 carrés (1 000km2).
Raha atao ny fitsipika ara-telo, ho an’ireo 64 carrés azon’ny Tirupati Madagascar trandrahana dia 25km2 izany, fa tsy io 33km tsy mivadimandry izay lazain’ny orinasa Tirupati io. 8km2 no mihoatra amin’ny fitrandrahana.
Ankoatra ny grafita, ahitana volamena, béryl, varahina, chrome, cristal, basalte ihany koa ny harena ankibon’ny tany amin’io faritra trandrahan’ny Tirupati io, raha ny hita eo amin’ny fahazoan-dalana BCMM. Rariny raha misy ny fampahafantarana mazava, mivantana sy mangaraharaha amin’ny fifanarahana atao sy ny tombony ara-toekarena sy ara-tsosialy hotazan’ny mponina avy amin’ireny fitrandrahana ireny. Izany dia hisorohana ny disadisampiarahamonina etsy andaniny, fa koa ny ahiahy tsy hihavanana amin’ny endrika kolikoly samihafa, etsy ankilany.