Nosoratan’i Hajanirina sy Micka Raharisoa.
Mahazo vahana amin’ny faritra Analamanga sy ny kaominina manodidina ny fanodikondinana halatr’omby. Manahy ireo niharan’izany fa misy firaisana tsikombakomba avy amin’ny manampahefana satria dia lasa manana taratasy ara-dalàna ireo dahalo. Taratasimpanjakana izay tsy mivoaka raha tsy avy amin’ny manampahefana hatrany.
Tsy nihambahamba ny raim-pianakaviana iray mpiompy avy any amin’ny faritra avaratr’ Anjozorobe nilaza fa ny manampahefana ara-miaramila sy sivily no dahalo ambony latabatra. Ireto farany no manome tambonin’andro an’ireo olondratsy ny basy sy ny antotan-taratasy tahaka ny boky, ny Fiche individuelle des bovidés (FIB) aryary pasipaoro ho an’ny omby izay vao hangalarina.
Hetahetanay tantsaha ny fampihatoana tsy misy hatak’andro ny asan’ny dahalo ambony latabatra. Ny fitondram-panjakana isan’ambaratongany hatrizay ihany no mpaniraka an’ireo malaso. Ny mpitandro filaminana azo antoka fa mpamatsy basy ny dahalo. Manaporofo izany ireny fitaovam-piadiana tra-tehaka izay tsy fitanana sivily ireny. Efa manana bokin’omby sy FIB mialoha mahakasika ny mombamomban’ny omby izay kasainy hangalariny ireo dahalo. Ireny taratasim-panjakana ireny anefa tsy mivoaka raha tsy avy amin’ny delege ihany. Ny veterinera sy ny manampahefana isan-tsokajiny koa no mametraka tombon-kase sy manasonia azy ireny.” Hoy i Naivo Ramaroson, mpiompy avy amin’ny faritra Anjozorobe
Rafitra maty paika ny fikambanan-dahalo
Voalazan’ity mpiompy avy any amin’ny faritra avaratr’Anjozorobe ity hatrany fa efa voarindra tanteraka ny asa, ny andraikitr’ireo mpikambana anaty tambazotran-dahalo an-kianja sy ambony latabatra. Misy ireo omby halatra avy any amin’iny Anjozorobe iny no ahondrana any Betsiboka na Alaotra Mangoro. Mitantara ny fifandaisan’ny an’izany rafitra maty paika izany sy ny angom-baovao tamin’ny fanarahan-dia omby nihazo nihazo an’iny Faritra Alaotra Mangoro iny raimpinakaviana mpiompy avy any Anjozorobe io.
Vao tsy ela izahay no nanara-dia omby lasan’ny dahalo. Andro maro nigadona tao Beravotavo, kaominina Amparafaravola, any Ambatondrazaka izay niafaran’ny dian’ireo omby very. Efatra 4km avy eo no manomboka ahitana trano telo hatrany isaky ny 500m eo eo. Mpamboly ireo mponina fa fiantson’ny dahalo izay mpiambina omby halatra ao Kijana tsy lavitra eo mba hakan’ireo malaso vaovao mahakasika ny mpanara-dia. Vetivety teo, nisy jiolahy amam-polony mitam-piadiana nitsena anay izay azo antoka fa nahazo vaovao tamin’ireo mpamboly tamin’ny finday. Ireo jiolahy ireo indray no nampifandray anay tamin’ny lehiben’izy ireo tamin’ny finday hatrany izay mpanome taratasy fahazoan-dalana. Raha mahazo io alalana io hiditra ao amin’ilay kijana famaharana ireo omby halatra dia tsy ao intsony ireo biby fiompy halatra. Raha mbola ao ireo omby izay tadiavina, lasa mila vaniny ireto dahalo mpitsena ary efa vonona hifamaly tifitra amin’ny basy. Ny anay moa azo antoka fa tao ka efa niroso tamin’ny filambaniny ireo jiolahy, efa niantso dahalo namany ihany koa hanampy azy ireo. 40 lahy mahery teo izahay no nanaraka omby very ary samy nitana fitaovam-piadiana tahaka ny pilotra, lefona, ary basy maro. Saingy noho ny hery tsy mitovy manoloana ireo fitaovam-piadiana mahery vaikan’ny dahalo, nanapakevitra ny hisitaka izahay ary nisafidy lalan-kafa hamonjena ny fodiana. Amin’ny faritra maro eto Madagasikara, samy mahafantatra ireny kijana na kizo fandalovana na fanatobiana omby halatra ny ankamaroan’ny mponina. Saingy atody miady amam-bato ka milefitra tahaka anay . Marihiko fa aman-jatony ny dahalo ka misy amin’izy ireo mpiambina ny haza efa azo, ao koa ireo mpitily, misy ireo mpanamafy (renfort) raha misy mpanaradia matanjaka ombana mpitandro filaminana, misy ihany koa ny mpamoaka any anaty vala, ao koa ireo mpitsena eny an-dalana, tsy azo avina fa misy ireo lehibe mpibaiko any amin’ny foibe sy amin’ireo sokajiny avy, tahaka ny antanantohatra fahefana rehetra amin’ny fiarahamonina.” Hoy i Naivo Ramaroson, mpiompy omby avy amin’ny Faritra Anjozorobe. Manamafy izany koa ny fanadihadiana lalina natao tamina manamboninahitra iray.
Omby voafotsy manara-penitra no mihazo an’Analamanga
Araka ny fijoroana vavombelona notanterahina manampahefana iray, omby halatra efa voafotsy tokoa no tonga eny amin’ny tsena sy ny toeram-pamonoana omby eto Analamanga. Tsy olonolom-poana fa olona eo ambony latabatra ireo olondratsy no ao ambadiky ny tambazotran’olondratsy na “réseaux mafieux”. Tsy ireny mandeha an-kianja ireny velively no atidoha mikotrika fa iraka sy mpiasan’ny dahalo manampahefana fotsiny ihany ireny . “Fetsy be ry zareo satria ny omby entiny miakatra eny an-tsena efa “blanchi” na voadio daholo. Eny amin’ny toeram-pivarotana araka izany no iafaran’io trafikana omby io ary izay no mahatonga ny tsy hisian’ny antontanisa firy sy tsy ahatratrarana ireo malaso amin’ity raharaha ity”, hoy i Edmond Rakotomahefa (Fictif) izay olona mitana andraikitra ambony eto amin’ny firenena . Raha ampintahaina amin’ny halatr’omby amin’ny Faritra hafa dia zara raha misy 2% ho an’Analamanga saingy ny trafika efa misy mpanelanelana no betsaka mihazo eto Andrenivohitra, hoy hatrany ity manamboninahitra ity . Azo lazaina fa Analamanga, indrindra Antananarivo renivohitra no mpanjifa omby halatra maro indrindra, noho izy be mponina mpanjifa hena.
Voaloton’ny kolikoly ny fizarana ny FIB
Ny Faritra sy ny Kaominina no mazàna tondroin’ny mpiompy sy tompon’omby very biby ho mpiray tsikombakomba amin’ny tambazotra mpanafotsy izany halatra izany. Raha ny lalàna, dia ireo biraompanjakana ireo ihany no samy afaka manome sy mizara ny fisy momba ny omby na ny Fiches individuelles de bovidés (FIB) izay atontan’ny Tranompirintimpanjakana. Andraikitra mifanitsaka tokoa ka ahiann’ny mpiompy ho lasa irika hanararaotin’ny mpanodinkodina ireo taratasy momba ny biby fiompy. Rehefa tratran’ny mpitandro filaminana tokoa mantsy ny omby halatra, dia efa nahavitan’ny mpangalatra FIB ara-dalàna sy voamarina ireo biby. Kanefa dia ny tomponandraikitra momba izany no afaka mikirakira izany famoahana FIB izany.
Ity fifanitsahana andraikitra eo amin’ny kaominina sy ny Faritra ity dia noho ny lalàna mifehy ity sehatra ity ihany. Azo heverina ary ve fa tafiditra ao anatin’ny andrimpanjakana mpanao lalàna ny tambazotran’ny mpamotsy omby ? Raha ny eo amin’ny ministeran’ny Atitany sy ny Tranompirintimpanjakana kosa, dia nanapaka hevitra fa tsy hotohizana intsony izany fanao izany, ka ankehitriny dia ny kaominina irery no hany sisa mahazo manao kaomandy FIB. « Na ny haba momba ny famoahana FIB aza moa dia efa mandeha mivantana any amin’ny kaominina irery, tsy misy anjaran’ny Faritra », hoy ny fanazavan’i Andry Nirina Rajaofetra, tale jeneralin’ny Tranompirintimpanjakana.