Vaovao

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

[VIDEO] RIO TINTO QMM : "Miliara afa-drakotra"

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est !

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

[Vidéo] Covid-19 : "SAVA PAS!"

Grafita ao Brickaville : manjavozavo ny tombony ho an'ny mponina!

[VIDEO] Lavanilina sy jono, sehatra ianjadian'ny kolikoly

Fanondranana omby an-tsokosoko eto Madagasikara

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

[VIDEO] RIO TINTO QMM : "Miliara afa-drakotra"

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est !

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

[Vidéo] Covid-19 : "SAVA PAS!"

Grafita ao Brickaville : manjavozavo ny tombony ho an'ny mponina!

[VIDEO] Lavanilina sy jono, sehatra ianjadian'ny kolikoly

Fanondranana omby an-tsokosoko eto Madagasikara

Hijery vaovao hafa.
Vaovao

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

[VIDEO] RIO TINTO QMM : "Miliara afa-drakotra"

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est !

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

[Vidéo] Covid-19 : "SAVA PAS!"

Grafita ao Brickaville : manjavozavo ny tombony ho an'ny mponina!

[VIDEO] Lavanilina sy jono, sehatra ianjadian'ny kolikoly

Fanondranana omby an-tsokosoko eto Madagasikara

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

[VIDEO] RIO TINTO QMM : "Miliara afa-drakotra"

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est !

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

[Vidéo] Covid-19 : "SAVA PAS!"

Grafita ao Brickaville : manjavozavo ny tombony ho an'ny mponina!

[VIDEO] Lavanilina sy jono, sehatra ianjadian'ny kolikoly

Fanondranana omby an-tsokosoko eto Madagasikara

Hijery vaovao hafa.

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

[Article mis à jour le 11/01/2023] Malaza eto Madagasikara ny helidrano Mer d’Emeraude, ao amin’ny kaominina Andranovondroninina, faritra DIANA. Ahitana nosy madinika manodidina azy, toy ny nosy Suarez sy Diégo. Amin’ny hekitara maro koa anefa ny fambolena lomotra mena (algues de mer) tsy voafehy sy tsy ara-dalàna ao an-toerana ka mitarika fahasimbana sy fandotoana, ary mampiahiahy amin’ny resaka kolikoly.

Orinasa tazonina teratany Sinoa izay tsy fantatra mazava no miteraka loto sady ahiana hampidi-doza noho ny fomba fiasa tsy matotra. Manazava ny Talen’ny Agence Portuaire Maritime et Fluviale (APMF) ao Antsiranana, Rabialahy Jean-Paul, fa “ny tsy fametrahan’i Madagasikara fepetra amin’reo mpandraharaha amin’io sehatra fambolena lomotra io no anisan’ny fototry ny olana”.

Ny ministeran’ny Jono no nanome fahazoan-dalana hitrandraka na hamboly an-dranomasina. “Olana mipetraka dia tsy nisy fikaonan-doha teo amin’ny APMF na tamin’ny resaka fitaterana olona na tamin’ny fitaovana mety handoto ny ranomasina toy ny «bouteille en plastique» izay ampiasain’ny orinasa amin’ny fambolena lomotra”, araka ny fanazavana. Ampiasain’ny orinasa amehezana zanaka lomotra ireny tavoahangy ireny, ary mety ho voarain’ireo trondro vaventy ankoatra ny fandotoana amin’ny ankapobeny sy ny fiantraikany amin’ny lafiny fizahantany. “Mifanohatra amin’ny ataon’ny APMF izay miaro ny ranomasina tsy hisy loto ny zava-misy” hoy ny talem-paritra ao Atsiranana. Izay rehetra izay dia ambana mipetraka amin’ireo zava-manan’aina an-dranomasina.

Zahatra : fitaovam-pitaterana tsy manara-dalàna

Maharitra eo amin’ny 45mn ny ampitohizan’ny sambo vedette an’i Ramena sy Mer d’Emeraude. Lavitra kokoa, ao Ankorikahely ny toerana misy ny toby famaharan’ireo Sinoa mamboly lomotra sy ikarakaran’izy ireo ny fitaovana sy zanaka lomotra havoly eny amin’ny faritra misy ny Mer d’Emeraude. Zahatra anefa ny fitaovam-pifamoivoizana an-dranomasina ampiasainy mba itaterany ireo mpiasa sy fitaovana ary ny zanaka lomotra.

Zahatra, fitaovampitanterana tsy ara-dalàna ampiasain’ireo mpamboly lomotra an-dranomasina

Andraikitra voalohany iantsorohan’ny eo anivon’ny APMF ny fiarovana mialoha mba tsy hisian’ny loza na eny an-dranomasina na eny an-dranomamy. Raha ny lalana didimpitondrana 2918 tamin’ny 1 septembra 1972 momba fiarovana ny aina sy ny fitaovana mandritra ny fivezivezena an-dranomasina, dia tsy azo atao ny mampiasa zahatra ho fitaovam-pifamoivoizana an-dranomasina. Fitaovana izay tsy misy fiarovana loatra ary tsy manana taratasy fahazahoan-dalana rahateo. Akanjo aroaina na “gilet de sauvetage” sy famerana ny isan’olona entina no hany afaka natao raha ny nambaran’ny talen’ny APMF aty Antsiranana. Raha eny an-toerana anefa, dia zary manaiky tsy sazoka ny kaominina manodidina satria mitondra asa mivantana ho an’ny mponina ilay voly lomotra.

Hatokana ho fizahan-tany sa hatao hambolena lomotra?

Olana ho an’ny fizahantany izany voly sy fitaterana tsy ara-dalàna izany, hoy Befourouak Francis, filohan’ny filan-kevi-pitantanana eo anivon’ny ofisin’ny fizahan-tany aty DIANA.

Voatery miova ny lalana amin’ireo zotrampizahantany na “circuits touristiques” amidy satria feno tavoahangy plastika ambolena lomotra ny lalana eny an-dranomasina, ary hatramin’izao izahay dia mbola sahirana ihany satria tsy nesorin’ny orinasa ireo hazo sy vy natsatony anaty ranomasina manodidina ny Mer d’Emeraude. Toerana be mpizaha ny ao amin’ny Mer d’Emeraude, ka mba tsara raha nifampidinihina tamin’ny tompon’andraikitra taty an-toerana aloha ny ministera voakasika mivantana alohan’ny namoahana ny taratasy fazahoan-dalana”: hoy izy namarana ny teniny.

Manana ny drafitr’asamparitra ho an’ny fampandrosoana (Plan Régional de Développement/PRD) sy ny tetikasa hanajariana ny faritra (Schéma Régional d’Aménagement Territorial/SRAT) ny faritra DIANA, izay napetraka ho tondrozotra harahin’ny mpampiasa vola hiditra amin’ny tontolon’ny fandraharahana ato sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. “Olana mipetraka anefa, na dia eo aza ny fisian’ireo drafitra PRD ireo, dia mifanitsaka ny asa rehefa tsy misy “planification spatiale maritime” na ny fandrafetana ny fampiasana ny fari-dranomasina” hoy Raharimalala Sylvie, talem-paritry ny Jono sy ny Toe-karena manga ao DIANA. Milaza rahateo ny PRD ao DIANA fa tsara ho an’ny fizahana amorondranomasina sy ranomasina iny faritra iny. Hoy indrindra ny filohan’ny filan-kevi-pitantanana eo anivon’ny ofisin’ny fizahan-tany aty DIANA: « fampandrosoana amin’ny sehatry ny fizahantany ve sa voly an-dranomasina no hatao amin’ny faritra misy ny Mer d’Eméraude?»

Ireo tavoahangy plastique ampiasain’ireo mpamboly lomotra (septembre 2022)

Fandraharahana tsy nanaja fifanarahana

Raha vina, dia toeran-kafa no nomena ireo teratany Sinoa hambolena lomotra, raha ny fanazavan’ny talem-paritry ny Jono sy Toe-karena, Raharimalala Sylvie. Ny ao amin’ny fokontany Andohazompona sy Antsikala, kaominina ambanivohitra Andranovondronina no nanomezana alalàna azy ireo hiasana. Fokontany Cap Diégo, distrikan’Antsiranana I sy Ankorikahely ary manodididna ny Mer d’Emeraude anefa no nalehany no nalehany.

Na nisy fanekena aza anefa, dia tsy mazava ny mombamomba ireo Sinoa sy ny orinasany, tsy hita mivantana izay tompon’andraikitra voalohany aminy. Ny anarana fantatra dia ny hoe «Lee», ka ireo mponina tao Andovokônko, fokontany Morafeno, kaominina Andranovondronina no nazahoana izay anarana izay. Samy nilaza na ny ben’ny tananan’i Ramena na ny ben’ny tananàn’Andranovondronina fa samy nahita maso taratasy «avy tamin’ny ministera hono», fa tsy misy manana dika mitovy na izay mety ho taratasy hatao arsiva momba ny fahatongavan’izy ireo.

Tao amin’ny kaominina Andranovondronina no hany mba nahitana taratasy iray mirakitra ny bokin’andraikitra saingy sady tsy misy anaran’ny mpanao sonia no tsy misy anaran’ny orinasa. Tsy fantatra marina hatreto io orinasa namboly lomotra io. Ny ben’ny tananan’Antsiranana moa nilaza mazava fa “tsy nahafantatra mihitsy ny fisian’izy ireo tao amin’ny fokontany Cap Diégo”. Raha nanontaniana kosa ny sefo fokontany tao Cap Diégo, nilaza izy fa “niditra tsy nandondona ireo Sinoa. Tsy nifanaraka tamin’ny fokonolona ny zavatra nataon’izy ireo, nanelingelina ny asa fiveloman’ny mpanjono.”

Hany taratasy hita maso, raisina ho toy ny bokin’andraikitra, kanefa tsy hamantarana na inona na inona momba ny orinasa (septambra 2022).

Niteraka lonilony teo amin’ny samy mpiara-monina anefa ny toe-draharaha, satria nisy ny nahita tombony nampanofa ranomasina tamin’ireo mpandraharaha sinoa tamin’ny sarany 5.000.000Ar isan-taona. Misy koa etsy ankilany ary mpanjono tapaka fivelomana noho ny faritra fiasany noraran’ny mpandraharana handalovana sy hanjonoana noho ny fisian’ny fambolena lomotra.

Noho izany dia tapa-kevitra ny handroaka ireo mpamboly lomotra ny fokontany Cap Diégo, tarihin’ny sefo fokontany, Mahasolo. Nifindra teny amin’ny «champs de tirs» ampiasain’ny miaramila ireo mpamboly, fa noroahin’ny miaramila ihany koa. Niverina tany Ankorikahely, amin’ny kaominina Ramena izy ireo. Tsy nanaiky moa ny ankabetsahan’ny fokonolona fa fanelanelanana nataon’ny sefo fokontany tao Ankorikahely no nahatafapetraka azy. Ny Ben’ny tanànan’i Ramena rahateo nanaiky ny fangatahana, hany ka samy nanaovany fambolena lomotra arak’izay ny kaominina andrenivohitra Antsiranana I, kaominina ambanivohitra Andranovondronina ary kaominina ambanivohitra Ramena.

Fandikan-dalàna sy fandikana fady

Renimpianakaviana iray ao Andovokônko no mitaraina fa mahatsiaro tena ho “fitaovana nentina handresy lahatra ny mponina mba hanaiky ny fidiran’ny mpandraharaha sinoa”, ary nisafidy ny tsy holazaina anarana. Nirahana mba hilaza amin’ny mponina ny amin’ny tombotsoan’izany voly lomotra izany izy ary nanazava:“Nisy fanantenana poak’aty, nitondràna mpanao gazety ary navoaka tamin’ny haino amanjery. Tsy nisy tanteraka anefa ireo fampanantenana nampitenenina ahy, ka sady mahatsiaro tena voafitaka aho no koa namitaka ireo mpiara-belona amiko” hoy izy.

Olana lehibe koa ny tsy fanajana ny fombatany. Hoy indrindra I Rachid, mponina eny an-toerana izay mitaraina noho ny fanariana loto anaty ranomasina : «Tsy nasiana dikany ny fomban-tany rehefa nahazo ny toerany ireo mpandraharaha. Tsy fatao aminay aty ny mangery an-dranomasigny fôtony ao ny fôtotro velon-tegna salakady angalanay laoko ahanigny, nefa tsy tambagnandrô nampivarigny taindrô tan-drano. Efa nandefa taraigny tamin’i chef secteur zahay fa tsisy raha niôva, tsisy dikany amindrô foeky ny fômban’ny tany, ankoatran’izegny, mihempogno magneragna sisin-drano jiaby io ny taindrô (maloto), tegna namorery zahay ny fisian’ireo mpanao lomotra ireo».

Karazana tranohazo amboarin’ireo mpamboly lomotra, izay mahatezitra ny mponina noho ny famoahana maloto hivarina an-dranomasina (septembre 2022)

Ao koa ny tsy fanarahana bokin’andraikitra. Miasa adiny sivy isan’andro ny mpiasa no tsy mitovy ihany koa ny karaman’ny lehilahy sy vehivavy mikirakira ny lomotra : 8 000 Ar isan’andro ny an’ny lahy, 6 000 Ar ny an’ny vavy. Nampanantena ny hanorina sekoly ambaratonga fototra iray sy toeram-pitsaboana ary hampiditra jiro sy rano amin’ny toerana iasany ny orinasa, saingy tsy tontosa izany tao anatin’ny efa-taona.

Orinasa tsy fantatra, tsy mandoa hetra

Raha ao Andranovondronina, tsy mbola nandoa hetra tao amin’ny kaominina ireo mpamboly lomotra. Nilaza ho tsy mbola nahavokatra foana izy ireo nandritry ny efatra taona mahery niasany tao. «Nilaza ho tafiditra fatiantoka foana izy ireo, hany ka tsy nandoa hetra taty amin’ny kaominina, tsy nisy tamberina niditra tamin’ny kaominina. Olombitsy no nahita tombony tamin’ny fipetrahan’ireo taty (…) Ilazana ny vita foana ny tenako fa tsy mbola nampilazana mialoha ny fandalovan’ireo tompon’andraikitra, angamba mba tsy hahitako ny fakana vola ataony», hoy ny ben’ny tanànan’Andranovondronina, Jaofeno Berobia.

Any amin’ny kaominina Ramena kosa, izay toerana andalovany mamoaka vokatra no ikarakarany zana-domotra sady misy magazay fitahirizam-bokatra dia nahitana fanambarana diso momba ny vola miditra.

«Tsy fantatra amin’ny fotoana manao ahoana no amoahany entana avy ao amin’ny magazay fitobiana, fa indray mandeha tratrako namoaka kamiao efatra mitondra entana 25 taonina avy izy ireo, nefa 3 taonina no lazainy ao anaty taratasy» hoy ny Ben’ny tanànan’ny Ramena, Bemamory Tavandra.

Sarotra hoy izy ny hanaovana fanamarihana nohon’ny tsy fananana mizàna hanarahamaso.

Lasa tsy nanadio!

Ny volana jiona 2022 teo no nandravàn’ireo Sinoa ny trano rehetra nipetrahany tany Andôvokônko sy tao Ankorikahely. Tsapa fa hatezerana no nialany teo hoy ny ben’ny tanànan’Andranovondronina. Ankoatran’ireo fitaovana notaterina, dia napariakan’izy ireo amorondranomasina ny hazo sy fitoavana nihazona ny trano natsangany. Fehiny, tena maloto tanteraka ny morontsiraka. Tsy nesorin’izy ireo anefa ny hazo sy vy natsatony anaty ranomasina namehezany tady nambolena lomotra ireo. Hany ka tsy afaka ivezivezen’ny lakana sy sambokely ny faritra manakaiky tanàna fa tsy maintsy miandry ny rano miakatra (marée haute).

Fako sy hazo misy fantsika maranitra tavela eny amorondranomasina, rehefa nangoron’entana ny orinasa (septembre 2022)

Nandà tsy hiresaka aminay ireo Sinoa, ary milaza ho sady tsy miteny malagasy, tsy miteny frantsay, tsy miteny anglisy ka sarotra ifampiresahana. Ny resaka tamin’ireo mpiasa teny an-toerana no nahafantarana fa mikasa hifindra any Nosy Faly, distrikan’Ambanja izy ireo.

Fanampim-panazavana / Mise à jour (11/01/23) : araka ny fanazavana hita eo amin’ny pejin’ny tambazotra sosialin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ny 8 janoary 2023 dia “natomboka ny fanadiovana ny loto sy famerenanana ny toerana amin’ny laoniny mba hanajana ny tontolo iainana sy ny fenitra mikasika izany” ao Ankorikahely, Kaomina Ambanivohitra Ramena, Distrikan’Antsiranana II, Faritra Diana, izay “toerana manokana iray avy nampiasana nanaovana fambolena lomotra no feno fako sy tavoahangy plastika”. Nilaza ny ministera fa “efa noraisina ihany koa ny fepetra mahakasika ilay orinasa”, fepetra izay tsy nasiany fanazavana.

Araka ny voalazan'ny ministera ny 11 janoary 2023 koa, dia nanantanteraka fidinana ifotony tao amin'ny Kaomina Ramena ny Fitaleavamparitrin'ny ministeran'ny Jono sy ny Toekarana Manga (DRPEB) ao Diana  ary nilaza "ny andraikitra ary fepetra noraisina rehetra toy ny fanaovana fanaraha-maso (Inspection), fanajanonana (Lettre de suspension) sy fanagiazana fitaovana (Saisie)". Milaza ny Fitaleavamparitra mpiahy fa "fifanarahana hahafahana mamboly lomotra na "Accord de Principe" no nisy fa tsy midika fahazoan-dalàna mametraka toerana fanandramana fambolena lomotra sy fananganana fotodrafitrasa "site d'essai de culture d'algue et installation d'infrastructure", taratasy izay ilaina entina amin'ny dingana manaraka hahazahoana ny toerana sy ny hanaovana "Etude d'Impact environnementale du projet".

Lire la suite

Ces articles peuvent aussi vous intéresser

Articles les plus consultés

Articles récents

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

L’Office des mines nationales et des industries stratégiques (Omnis) traverse une mauvaise passe entre chute de recettes et dépenses incontrôlées. Analyse. « Nous attirons également...

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

Tombanana ho velarantany azo volena sady mahavokatra mihoatra ny 6000 ha no jerempotsiny ao Menabe. Mikorontana ny fitantanana ny tambazotra avy ao Dabara, tsy...

[VIDEO] RIO TINTO QMM : “Miliara afa-drakotra”

Hatramin’ny nisian’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ataon’ny orinasa Rio Tinto  QMM ao Taolagnaro, dia tsy mbola nanolotra ny kaonty fitantanam-bolany teny anivon’ny Fitsaràna ara-bola,...

Tags les plus consultés

Mifandraisa form malina

Miarahaba,
Lasa soamantsara ny hafatra.

Ny ekipan’ny MALINA

Mifandraisa form malina

Diso

Miarahaba,
Avereno ny fangatahana azafady !

Ny ekipan’ny MALINA

Newsletter malina

Fanamarinana ny fisoratana anarana

Miarahaba,
Faly be izahay manamafy ny famandrihana anao amin'ny newsletter MALINA.

Ny ekipan’ny MALINA

Newsletter malina

Diso

Ny ekipan’ny MALINA

Mampiasa cookies ity tranonkala ity.

Rehefa manohy mizaha ity tranonkala ity ianao dia manaiky ny fampiasana cookies