Vaovao

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

[VIDEO] RIO TINTO QMM : "Miliara afa-drakotra"

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est !

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

[Vidéo] Covid-19 : "SAVA PAS!"

Grafita ao Brickaville : manjavozavo ny tombony ho an'ny mponina!

[VIDEO] Lavanilina sy jono, sehatra ianjadian'ny kolikoly

Fanondranana omby an-tsokosoko eto Madagasikara

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

[VIDEO] RIO TINTO QMM : "Miliara afa-drakotra"

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est !

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

[Vidéo] Covid-19 : "SAVA PAS!"

Grafita ao Brickaville : manjavozavo ny tombony ho an'ny mponina!

[VIDEO] Lavanilina sy jono, sehatra ianjadian'ny kolikoly

Fanondranana omby an-tsokosoko eto Madagasikara

Hijery vaovao hafa.
Vaovao

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

[VIDEO] RIO TINTO QMM : "Miliara afa-drakotra"

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est !

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

[Vidéo] Covid-19 : "SAVA PAS!"

Grafita ao Brickaville : manjavozavo ny tombony ho an'ny mponina!

[VIDEO] Lavanilina sy jono, sehatra ianjadian'ny kolikoly

Fanondranana omby an-tsokosoko eto Madagasikara

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

[VIDEO] RIO TINTO QMM : "Miliara afa-drakotra"

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est !

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

[Vidéo] Covid-19 : "SAVA PAS!"

Grafita ao Brickaville : manjavozavo ny tombony ho an'ny mponina!

[VIDEO] Lavanilina sy jono, sehatra ianjadian'ny kolikoly

Fanondranana omby an-tsokosoko eto Madagasikara

Hijery vaovao hafa.

[Vidéo] Covid-19 : “SAVA PAS!”

Tsy teo amin’ny lafin’ny fanampiana ara-tsosialy irery ihany no misy ny fitsinjarana mitanila tamin’ny vanimpotoana ny hamehana ara-pahasalamana vokatrin’ny valan’arerrina Covid-19 tao amin’ny faritra SAVA. Mitaraina toy izany koa ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpandraharaha.

Ireo mpiasan’ny fahasalamana tao amin’ny faritra SAVA dia mitaraina noho ny mizana tsindrina ila mandritra ny fahamehana izany. Teo amin’ny resaka “primes de risques” no tena nivaingana izany olana izany. 600.000 Ar ny anjaran’ny mpitsabo iray, raha 400.000 Ar kosa ny an’ny mpitsabo mpanampy. Nisy anefa ireo ny tsy mba nisitraka izany noho ny antony tsy mazava.

Primes de risques” mizara vilana?

Nisedra izany ny tao amin’ny Centre Hospitalier de Réference Regional (CHRR) ao Besopaka, raha ny fanazavan’i Dr Rakototarivelo Michael, izay miasa any an-toerana : “Izahay izao ato dokotera 12, ka roa na telo aminay no nahazo izany “primes” izany. Torak’izany koa ny momba ireo “paramédicaux”. Fa indrindra indrindra ny tena mampalahelo dia ireo manao servisy filatsahana an-tsitrapo. Ireo no tena nanampy betsaka nefa telo isakin’ny servisy ihany izao no nahazo. Isaky ny servisy anankiray fotsiny anefa farafahakeliny manana mpirotsaka an-tsitrapo valo na sivy eo ho eo. Izany hoe antsasany no tsy nisitraka an’ilay fanampiana”

Mpirotsaka an-tsitrapo 30 amin’ny ireo 48 amin’ireo sampandraharaha enina ao amin’ny CHRR Besopaka no tsy nisitraka izany “primes” izany. Nandritra ny fizarana ny “primes de risques” andiany faharoa ny taona 2021 dia nihena ny isan’ireo nahazo. Manamafy izany Dr Rakototarivelo Michael “Indroa miantoana manko ny fanomezana ny “primes”. Tamin’ny voalohany, dia nomena fankaharezana hatrany ny ekipa, hoe mety mbola hahazo ihany isika. Nitranga anefa ny andiany fanindroany, nihena ilay izy, nihena ny isan’ny olona nahazo.”

Nanao ny ainy tsy ho zavatra ireo mpitsabo sy ireo mpitsabo mpanampy ireo nandritra ny fotoana namaivay. 5 amin’ireo mpiasa 113 teo anivon’ny CHRR Besopaka no tratran’ny Covid-19 taorian’ny fitsaboana sy fikarakarana mivantana ireo marary. “Sarotra amiko no hiteny hoe mendrika na tsia amin’ny asa vitanay izay 600.000 Ariary zay. Hiteny hoe tsy mendrika, toa mila zavatra be dia be. Fa raha ny filofosan’ny ekipa rehetra no resahako, dia amiko, tena tsy ampy ilay izy. Marina hoe nanao fianianana izahay mpitsabo, saingy mafy ny sedra sy “risques” hatrehanay rehetra, ary miantraika eo amin’ny ankohonana sy eo amin’ny lafin’ny fiarahamonina. Betsaka ny “risques” eo amin’ny sehatrin’ny fahasalamana. Raha ny fangatahako, dia tokony hisitraka daholo ireo olona rehetra niasa, fa mampalahelo ireo niasa nefa tsy nisitraka “primes”.

5 amin’ireo mpiasa 113 teo anivon’ny CHRR Besopaka no tratran’ny Covid-19 taorian’ny fitsaboana sy fikarakarana mivantana ireo marary.

Fitsabahana

Ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny ministeran’ny Fahasalamana no voalaza fa miandraikitra ny fitsinjarana ireo “primes” tao anatin’ny ady amin’ny Covid-19. Hoy Volamiarana Adelaide, “”médecin inspecteur” ao Sambava : “ Tamin’ny voalohany ny avy ao amin’ny Fiadianana ny Repoblika no nakaty aminay, niaraka tamin’ny minisitry ny fahasalamana, ary nanome ireo “primes” ireo. Tamin’ny andiany faharoa, manodidina ny volana desambra 2021, no tonga izany. Misy tokoa ny lisitr’ireo mpisitraka, fa arakarakin’ny asa natao sy ny hoe iza daholo no ao anatin’ny ny ekipa niditra an-tsehatra toy ny mpiandry marary sy ny sisa, ao amin’ny hopitaly. Nalefa ilay lisitra. Ireny no mahazo azy”

Tsy nazava tamin’ireo mpitsabo anefa ny masontsivana nitsinjarana ny fazahoana ireo tambinkarama ireo. Ho azy ireo, tokony samy hahazo “primes” avokoa ireo mpisehatra amin’ny fahasalamana ka voamarina fa niasa nandritran’ny ady amin’ny Covid19. Manazava anefa ny loharanombaovao avy ao amin’ny ministeran’ny Fahasalamana izay nangataka ny tsy hotononina anarana fa ny “fitsabahan’ny ireo tomponandraikitra ao amin’ny Fiadianana ny Repoblika ny fandrafetana ny lisitra. Misy ny lisitra efa vita avy eny amin’ny sampan’ny Fahasalamana eo amin’ny faritra 22 nomena teny amin’ny ministera foibe, aingy tsy nanaiky ny eo anivon’ny Prezidansa ka nandrafitra lisitra faharoa indray”. Nohamarin’ny tatitry ny “Cour des Comptes” ity fitsabahana voalaza ity.

Niala vola am-paosy mba hividianana fitaovana

Nisedra olana ihany koa ireo mpitsabo tamin’ny resaka fampitaovana. Nijoro vavolombelona ireo mpisehatra ara-pahasalamana ao Antalaha, nilaza fa efa telo na efa-bolana tao aorian’ny nandraisana an-tanana ny fitsaboana ireo mararin’ny Covid-19 vao tonga ny fitaovana fiarovan-tena na ny “équipement de protection individuel” avy amin’ny Fitondrampanjakana, saingy tsy naharaka akory izany. Voatery niala vola am-paosy ny mpitsabo, ary nividy fitaovana tamin’ny farmasia.

Toy izany koa ny tao Antalaha, satria dia tsy nitovy tantana ireo mpisehatra ara-pahasalamana nandritra ny fitantanana iny valan’aretina Covid-19 iny. Raha ny tatitra momba ny fitsinjarana ireo vola nampiasaina isam-paritra nandritra ny hamehana ara-pahasalamana hita teo amin’ny tranonkalan’ny ministeran’ny Vola dia fantatra fa 74 200 000 Ariary no voasoratra ho famatsiana “primes de risques” nomena ny faritra Sava nandritry ny valan’aretina. Misy faritra hafa anefa mahazo famatsiambola betsaka ho an’ny fampandehanan-draharaha toy ny fividianan solika sns. Raka ity tatitra ity, dia ny faritra Analamanga no tena nahazo tombondahiny be nandritra ny fihatrehana ny Covid-19.

Isan’ny nampihatra ny fepetra ara-pahasalamana i Sambava, Antalaha, Vohémar ary Andapa, izay samy nahitana tranga Covid-19. Ny volana aprily sy ny volana may 2020 no nahery vaika indrindra ny aretina tao Sambava, renivohitrin’ny faritry Sava, araka ny fanazavan’i Dr Rakotoarivelo Michael : “Eo amin’ny 14 na 18 eo ny marary mafy, nanana “formes graves” noraisin’ny CHRR tamin’izay.” Tsy maintsy nisy ny fandrindrana foto-drafitrasa teo anivon’ny CHRR Besopaka noho izany ary nisy efitra fanaovana “acupuncture” izay navadika ho efitra hoan’ny ireo izay nahiana ho nitondra ny Covid-19.

CRCO niaina tamin’ny fifanomezan-tanana

Na nisy aza ny fihibohana, dia tsy nofohanana ny fotoam-piotazana lavanila tao amin’ny faritra Sava, ary tsy maintsy nohenjehina ny fanarahamaso Natsangana ny « centre régional de commandement opérationnel » (CRCO-SAVA) ny 6 febroary 2020. Ity CRCO ity no mifehy ny faritra mandritra ny ahamehana ara-pahasalamana. Nanazava I Tokely Justin, governora Sava teo aloha : “Anisan’ny mampiavaka ny CRCO-Sava amin’ny faritra hafa dia niarahana ny fitantanana izany. Izany hoe ny governora, ny préfet ao Sambava sy ny Talemparitra misahana ny Fahasalamam-bahoaka no mitarika izany. » Tsy nahazo famatsiambola avy amin’ny fanjakana foibe ny CRCO fa fifanomezan-tanana teo amin’ny vahoaka, indrindra ireo mpandraharaha, no nahafahany manatanteraka ny andraikiny. “Nisy taratasy nataon’ny CRCO, karazana fangatahana “sponsoring”, mba tena hahafahan’io rafitra io miasa, manao ny asa rehetra sy mampiatra ny fepetra rehetra izay raisina amin’ny ady amin’ny Covid-19 atao aty amin’ny faritra Sava. ”

Andry iankinan’ny faritra SAVA tamin’ny ady amin’ny Cvcid-19 ity CRCO ity, ka dia niezaka nanao izay ho hafany ny faritra. Hoy hatrany ny governora teo aloha : “Tsy misy “oxygène” ao amin’ny CHRR Besopaka eto Sambava, kanefa misy marary mafy, tratran’ny forme grave. Dia hoe jerem-potsiny ve sanatria ny vava? Kanefa raha niandry ny ministera, mety elaela vao tonga aty SAVA ny fanampiana. Dia tsy maintsy mitady vahaolana ny CRCO. Efatra na dimy ny tavoahangy oxygène tao amin’ny CHRR tamin’ny niantombohan’ny andiany fahatelo tamin’ny Covid-19. Koa dia ny tenako mihitsy no nanome baiko mba tsy hisian’ny tsy fahampiana tavoahangy. Nodinihina ny toe-bolan’ny CRCO. Fantatra fa tao Vohémar ilay fitaovana “générateur d’oxygène” tamin’ny 2020-2021, ary izao dia nafindra tao Antsiranana. Tsy maimaimpoana io fitaovana io fa andoavam-bola, ka samy manao ezaka mba hahavitàna ny ady amin’ny aretina”.

Nisy ihany koa ny fanampiana avy amin’ny Fanjakana foibe saingy tsy naharaka izany. Nanolotra fiara fitondrana marary hoan’ny faritra ny Fanjakana saingy tsy narahana famatsiana ara-bola nividianana solika izany. Tsy naharaka fandaniana ny tao SAVA, ka voatery ny CRCO nampiasa ny réquisition na tamin’ireo mpitatitra na tamin’ireo haino vaki-jery. Voatery ihany koa ny CRCO nanao antso avo tamin’ny sampan-draharaha hafa. Nisy ohatra ny fiaraha-miasa amin’ny Bureau de cadastres miniers de Madagascar (BCMM) tao Sambava ka nahafahana nandraisana ireo marary tratran’ny “forme modérée”. 199 902 820 Ariar no totalin’ny vola voahangon’ny CRCO tamin’ny taona 2020, vokatrin’ny fiaraha-mientan’ny vahoaka sy ny mpandraharaha avy ao amin’ny faritra”.

Fanampiana ny sehatra tsy miankina

Raha ny tokony ho izy dia ny Fanjakana no manohana ara-bola ireo mpandraharaha nandalo fotoantsarotra nandritra ny Covid-19. Nitaky izany ny filohan’ny vondron’ireo mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina tamin’ny 3 martsa 2022 lasa teo nandritra ny fivoriana nataony, ary mola miandry ny fanampiana avy amin’ny fanjakana ireo orinasa amin’ny sehatra tsy miankina. Manazava ny filohan’ny vondron’ny mpandraharaha (GEM), Rajaona Thierry, “900 tapitrisa dolara no nomen’ny mpamatsy vola tamin’izany fotoana izany, ary antsasak’izay no nampiasain’ny Fanjakana. Tamin’io antsasany nampiasaina io dia ny antsasany lany amin’ny Jirama, izay tsy dia misy fifandraisany loatra amin’ny Covid-19.”

Ny tsy fisian’ny mangarahara tamin’ny fitantanan’ny vola nentina niatrika ny Covid-19, ny fitsabahan’ny Prezidansa tamin’ireo andraikitra voatokana ho an’ny ministera sy ireo sampandraharaha hafa, ny famoaham-bola miompapana tsy mandeha araka ny lalana sy tsy nandalo fanamarihana, ny famoaham-bola tsy misy taratasy fanamarinana na pièces justificatives, ny fikirakirana vola mivantana : ireo rehetra ireo no novakian’ny “Cour de comptes” bantsilana tao anatin’ny tatitra hoan’ny daholobe momba ny fitantanana ny covid-19 (febroary 2022). Niray feo tamin’ny “Cour des Comptes” ny Loholona sy ny vondron’ny fiarahamonimpirenena mba hitakiana ny mangarahara momba ny vola mifandraika amin’ny Covid-19, saingy rano nilatsaka an-tany izany hatramin’izao. Andrasana arak’izany fandraisan’andraikitra ny Samifin, ny PAC ary ny Bianco manoloana izao endrika fanodikodonambolam-bahoaka izao.

Lire la suite

Ces articles peuvent aussi vous intéresser

Articles les plus consultés

Articles récents

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

L’Office des mines nationales et des industries stratégiques (Omnis) traverse une mauvaise passe entre chute de recettes et dépenses incontrôlées. Analyse. « Nous attirons également...

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

Tombanana ho velarantany azo volena sady mahavokatra mihoatra ny 6000 ha no jerempotsiny ao Menabe. Mikorontana ny fitantanana ny tambazotra avy ao Dabara, tsy...

[VIDEO] RIO TINTO QMM : “Miliara afa-drakotra”

Hatramin’ny nisian’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ataon’ny orinasa Rio Tinto  QMM ao Taolagnaro, dia tsy mbola nanolotra ny kaonty fitantanam-bolany teny anivon’ny Fitsaràna ara-bola,...

Tags les plus consultés

Mifandraisa form malina

Miarahaba,
Lasa soamantsara ny hafatra.

Ny ekipan’ny MALINA

Mifandraisa form malina

Diso

Miarahaba,
Avereno ny fangatahana azafady !

Ny ekipan’ny MALINA

Newsletter malina

Fanamarinana ny fisoratana anarana

Miarahaba,
Faly be izahay manamafy ny famandrihana anao amin'ny newsletter MALINA.

Ny ekipan’ny MALINA

Newsletter malina

Diso

Ny ekipan’ny MALINA

Mampiasa cookies ity tranonkala ity.

Rehefa manohy mizaha ity tranonkala ity ianao dia manaiky ny fampiasana cookies