Vaovao

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

[VIDEO] RIO TINTO QMM : "Miliara afa-drakotra"

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est !

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

[Vidéo] Covid-19 : "SAVA PAS!"

Grafita ao Brickaville : manjavozavo ny tombony ho an'ny mponina!

[VIDEO] Lavanilina sy jono, sehatra ianjadian'ny kolikoly

Fanondranana omby an-tsokosoko eto Madagasikara

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

[VIDEO] RIO TINTO QMM : "Miliara afa-drakotra"

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est !

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

[Vidéo] Covid-19 : "SAVA PAS!"

Grafita ao Brickaville : manjavozavo ny tombony ho an'ny mponina!

[VIDEO] Lavanilina sy jono, sehatra ianjadian'ny kolikoly

Fanondranana omby an-tsokosoko eto Madagasikara

Hijery vaovao hafa.
Vaovao

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

[VIDEO] RIO TINTO QMM : "Miliara afa-drakotra"

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est !

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

[Vidéo] Covid-19 : "SAVA PAS!"

Grafita ao Brickaville : manjavozavo ny tombony ho an'ny mponina!

[VIDEO] Lavanilina sy jono, sehatra ianjadian'ny kolikoly

Fanondranana omby an-tsokosoko eto Madagasikara

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

[VIDEO] RIO TINTO QMM : "Miliara afa-drakotra"

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est !

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

[Vidéo] Covid-19 : "SAVA PAS!"

Grafita ao Brickaville : manjavozavo ny tombony ho an'ny mponina!

[VIDEO] Lavanilina sy jono, sehatra ianjadian'ny kolikoly

Fanondranana omby an-tsokosoko eto Madagasikara

Hijery vaovao hafa.

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

Lasibatry ny tsindry noho ny olan’ny fananantany ny ala arovana Anjozorobe Angavo, tehezan’ala sisa tavela amin’ny ala atsinanana aty amin’ny faritra Analamanga. Potika noho ny fanaovana saribao ny ala, izay saronan’ny kolikoly.

“SOS 1034 -BB Anjozorobe Angavo” – Horonontsary novokarin’ny MALINA 2021/2022

41.000 ha no velaran’ny ala, izay ao anaty sokajy fahadimy amin’ny lisitry ny Union Internationale pour la Conservation de la Nature » (IUCN), antsoina hoe « paysage harmonieux protégé ». Izany hoe sady faritra arovana no misy olona mipetraka sy mivelona ao anatiny. Mivelatra amin’ny faritra roa, Alaotra Mangoro sy Analamanga, ny faritra arovana, ary misy distrika telo ao anatiny, dia Anjozorobe, Manjakandriana ary Moramanga, ary kaominina 12.

Raha ny tombana avy amin’ny ONG Fanamby izay mitantana io ala io, dia sahabo 60ha isan-taona ny ala ripaka ao anatin’ity faritra arovana ity. Mampihazakazaka ny fahasimbana ny fiakaran’ny filàna arina fandrehatra ao Antananarivo renivohitra. Amin’izay velarana ala 60ha potika isan-taona izay, dia ripaka noho ny tavy sy dorotanety ny 50 %, simba noho ny fanaovana arina ny 40 % ary rava noho ny fanapahana hazo tsy ara-dalàna ny 10 %. Manazava Rafanomezantsoa Tojoniaina Eric, teknisiana misahana ny fiahiana ny ala, ao amin’ny ONG Fanamby, ao Mangamila : « Raha ny fiveloman’ny olona manoloana ny faritr’ala arovana iny, toy ny ato Anjozorobe ohatra, dia ny fanaovana arina no betsaka. Ary misy amin’ireo olona ireo no manao arina anaty faritra arovana. Ao ny mampiasa kininina fa ao kosa ny tena manapaka hazoala mihitsy mba hatao saribao. Izany rehetra izany dia vokatry ny fitomboan’ny filàna amin’ny arina ho an’ny mponina ao Antananarivo. »

Anisan’ireo mponina mivelona amin’ny fanaovana arina i Nantenaina mivady, avy ao Mangamila. Ivelan’ny faritra arovana izy mivady no miasa, ary eo amin’ny volana septambra sy oktobra no tena mandeha ny tsena. « Raha fararano aloha ny olona ety dia tsy mivarotra hazo. Rehefa eo amin’ny fotoana fanetsana sy ny fikarakaràna tanimbary, dia mivarotra hazo izy ireo, mba hazahoana volan-jezika sy handoavana izay karama amin’ny fikarakarana tanimbary », hoy i Nantenaina.

Mpikarama manao tsangan-kitapo, izany hoe tsy miantoka hazo fa manangana fatana sy mitanika hazo ry Nantenaina. Mikarama aman’olona i Nantenaina amin’ny fanaovana arina. Manome hazo ny « patron » ary manome ny karama araka izay tsangan-kitapo vita. « Raha ny vinavina izao dia tokony hahavita eo amin’ny 30 kitapo izahay anio. Misy koa anefa ny efa kômandy. Raha mameno irony fiara 307 irony ny kômandin’ny mpividy, dia eo amin’ny 50 kitapo no mila havoakanay. Raha fiara kamiao, dia 120 kitapo izay. Raha vao kômandy mialoha dia manenjika isa izahay », hoy ihany i Nantenaina.

Fantatra(*) fa latsaka kelin’ny 250 000t ny hazo fandrehatra ilain’Antananarivo isan-taona ary maherin’ny 370.000t kosa ny arina, raha ny tarehimariky ny fanjifana nandritra ny taona 2018. Distrika telo eto Analamanga no mpamatsy an’Antananarivo, dia i Manjakandriana (76 381T/isantaona), Anjozorobe (15 685t/isantaona) ary Andramasina (11 933t/taona). Ny tao Anjozorobe no nahazoana angombaovao mialoha amin’ny ahiahy momba tsy fanarahan-dalàna ao anatin’ny faritra arovana, ao Vodivato.

13km miantsinanana, miala ao Mangamila no misy an’i Vodivato. Eo ampototr’ilay vohitra hoe Ambatomanitrasina no mihorina ny tanàna. Rasamoelina, mpikambana komitin’ny ala sy ny tontolo iainana (Kasti) izay solontenan’ny “cantonnement” ety ifotony no avy hatrany dia nitsena anay. Gaga sy hendratrendratra ny ankabeazan’ny olona teo an-tanàna nivahiniananay : «Na dia isika miresaka izao, na koa hoe ny fiara entinareo izao aza dia efa mampiahiahy ny olona hoe sao dia polisin’ala ireo, na koa hoe sao dia olona avy amin’ny Fanamby ireo », hoy Rasamoelina, sady niteny mora.

Manao fangintany mba hambolena kininina

Rehefa natao ny fanamarinam-baovao tao Vodivato, dia tratra mbola nidonan-tsetroka ireo fatana arina, tao anatin’ny faritra arovana, atsimon’Ambatomanitrasina. « Ireny hitanareo eny ambony tendrombohitra ireny izao dia fatana daholo. Eny amin’ny filohampokontany no maka alàlana raha hanao arina ety aminay. Rehefa izany dia mandalo eto amiko. Saingy iny faritra arovana iny anie ka tsy nanomezanay alalàna hanaovana fatana e ! », hoy Rasamoelina. Izany hoe : alain’ny olona ny tany sy hazo anaty faritra arovana, mba hanaovana fatana arina, ho fivelomana.

Misy ny faritra efa voavoly kininina azo avadika ho arina. Voafehin’ny lalàna sy ilàna fankatoavan’ny tomponandraikitra hatrany ny fitrandrahana izany, saingy : « Sahala amin’ilay ala arovana ihany e ! Mangalatra foana ihany izy. Izahay mantsy tsy manome permis na alàlana hitrandraka eny » hoy ny tarainan’ity mpikambana Kasti ity, izay niaiky fa saro-pehezina ity sehatra ity.

Tsy ara-dalàna avokoa izany ireo fatana midonantsetroka anaty ala sy antampon-tendrombohitra manomorona ny tanàna ao Vodivato. Lasa fomba fanao ao Vodivato sy manodidina ny fangintany, izany hoe famaritana sy famaboana tany tsikelikely ao anatin’ny faritra arovana. « Fomba ataon’ny olona ety izao ohatra ny manaisotra ny ala gasy dia manolo kininina eo amboniny mba hamaritana ny fangintany. Ohatra : mahita ala izy, dia teveziny, dia voleny kininina, dia mizaha mpanambola izy dia amidiny ny hazo. Tsy misy taratasy izany varotra izany fa ambava ihany. Very vola fotsiny raha tonga ny Fanjakana !».

360 gony isan’andro…

Mpandraharaha no voalaza fa mampiasa vola ao ambadik’izany fitrandrahana izany. Manazava Rasamoelina : « Ohatra hoe manome 200.000 Ariary ny mpanambola iray. Dia apetrany amin’ny mpanao fatana, dia mandray arina izy ho takalony. Anjaran’ilay olona mandray ny lelavola no manao izay azahoana tany sy hazo hanaovana saribao ». Misy vokany anefa izany. Hatrizay, nisy loharano nahatondraka ny tanimbary manodidina ny teto Vodivato. « Ritra tanteraka izy izao, satria fohan’ny kininina ny rano », hoy Rasamoelina.

Mandritra ny fotoana fanetsana no mampitombo ny fanamboarana saribao. « Amin’izany fotoana izany, dia saika isan’andro no misy kamiao telo raha kely indrindra, mitsofoka aty aminay, maka kômandy saribao. Ny kamiao iray mitondra 100 hatramin’ny 120 lasaka. » Izany hoe eo amin’ny 360 gony eo ho eo, isan’andro no miala ao Vodivato. Raha ny fanazavan’ireo mpanao fatana sy tsangan-kitapo, dia azahoana vokatra 150 gony ny ala kinina mirefy 1ha. Raha kajiana, dia ala kininina 2,5ha navadika ho saribao no taterin’ny kamiao telo isan’andro, ho an’ny ao Vodivato sy ny manodidina.

Saribao, vadin’asa !

Mpikambana Kasti ao Fierenana, akaikin’i Vodivato, kosa i Randriamiharisoa Théogène, Manakaiky ala kokoa ny ao Fierenana, saingy tsy ahitana ala zanatany intsony manodidina azy. Ao amin’ny faritra sahanin-dRandriamiharisoa ohatra, dia misy hazo in-droa na in-telo efa notapahana. « Misy tompony ireo hazo ireo. Misy avy any Vodivato ireo tompony ireo, izay sady tompona tanimbary ety aminay koa. Nisy dorotanety tety, dia navadikin’ny olona ho ala kininina rehefa avy eo. »

Mamboly vary Randriamiharisoa, toy ny tantsaha rehetra. Saingy, miharatsy isan-taona ny vokatra, ary na dia maniry hanitatra ny famboleny aza, tsy afa-manoatra. Mitady hevitra hampitomboana ny an-tanana ny mponina, ary matetika dia ny fanaovana saribao no safidiny. « Vadin’asa no tena mety amin’ny fanaovana saribao fa tsy afaka atao tena asa ivelomana. Raha misy milaza amiko hoe eroa misy kininina dia tena hataoko tokoa, mba ho sitrany ahay. Efa kely ny fambolena koa ! », hoy ity Kasti ao Fierenana ity.

Mifameno ny filàna. Andaniny, miakatra hatrany ny tinady ao Antananarivo. Ankilany, ireo tantsaha, sahirana, mihazakazaka mikarama manao saribao. Vokany : sarotra ny fiarovana ny ala !

Kolikoly amin’ny lalan’ny RN3

Tsy tranga maningana ny eto Vodivato. Saika nahitana tranga toy izany daholo ireo tanàna manamorona ny tehezanala ao Anjozorobe. Malaza ho manao kolikoly ny mpandraharaha amin’io sehatra io, hoy ny loharanom-baovao iray izay nisafidy tsy ho tononina anarana, avy ao amin’ny kaominina Tsarasaotra. « Ny tena olana dia ry zareo manampahefana manao kolikoly, satria misy olona manana kamiao 4 izao, ireo kamiao ireo anaovany risoriso 200.000 Ariary isanisany isambolana. Hany ka raha hiantso ny tomponandraikitra eny amin’ny servisin’ny fiarovana ny ala momba ny tranga hitanao ianao, dia ho arirarirany eny fotsiny. Lazainy fa lavitra no misy azy ka tsy afaka hanao inona. Anontaniany ny laharan’ny kamiao, dia milaza ilay laharana ianao, dia valiany hoe « tsy tratranay izany, izahay lavitra no misy anay ! ». Efa fantany anefa fa io ny laharan’ilay kamiao nanaovan’ny tompony ilay kolikoly 200.000 Ariary, ka tsy ho sakanany. Henjana be aty e ! »

Amin’ny 8 ora alina no miala ao Antananarivo ny kamiao, mihazo ny lalampirenena fahatelo (RN3). Mitsofoka amin’ireo tanàna manamorona ala izy ireo ary any amin’ny misasak’alina no manangona ny saribao hazoala, notaterin’ny vatandehilahy avy any anaty faritra arovana. Mangirandratsy, tokony ho amin’ny 5 ora maraina indray, no mivoaka amin’ny RN3, avy eo Analabe na Ampotaka, samy tanàna akaiky an’i Mangamila. Eo no « diovina » ny saribao azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, ary afangaro amin’ny saribao kininina ara-dalàna sy nahazo « laissez-passer ». Izay vao entina mihazo an’Antananarivo.

Manamafy izany ny ONG Fanamby : «Matetika dia amin’ny alina foana ry zareo no miainga avy any anaty ala any. Dia eo Mangamila ireo kamiao no mivoaka, ary mandeha miakatra ho any Antananarivo. Amin’iny Vodivato iny izao misy toerana fakàna saribao, fa misy koa tanàna tena ankodahoda ihany koa. Voararan’ny lalàna ny fitondrana ny vokatra azo avy amin’ny fitrandrahana ala na produits forestiers, amin’ny andro alina. Tsy azo atao izany, eo anelanelan’ny amin’ny 6 ora hariva sy amin’ny 6 ora maraina », hoy ny fanampim-panazavana avy amin-dRafanomezantsoa Tojoniaina, teknisiana amin’ny fiarovana ala.

Anjozorobe Angavo : SOS 1034-BB !

Araka ny sampandraharahan’ny fandrefesantany (topographie) ao Anjozorobe dia mitondra ny laharana 1034-BB ny toerana itrangan’ny fandikan-dalàna ao Vodivato. Nangatahana ny « certificat d’immatriculation et de situation juridique » mifandraika amin’izany. « Mbola tsy nisy ny famindrana na affectation natao tamin’ny anaran’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana, na koa tamin’ny anarana ministera hafa, raha Angavobe no resaka », hoy ny fanazavan’i Zafisoa Tiandrainy Félice, izay mpanaramaso ny fananantany ao Anojozorobe. « Misoratra amin’ny Fanjakana Malagasy ny tany 1034-BB. Mbola tsy voafaritra anatin’io tany io noho izany ny faritra misy ny ala arovana ».

Miteraka olana izany tsy famaritana azy ho faritra arovana izany: « Maro ireo olona nahazo tany anaty ala arovana, ary dia mbola mitohy ny fangatahana. Ry zareo tomponandraikitra amin’ny fananantany koa sahirana satria mbola manana zo feno ilay olona hangataka ilay tany, raha mbola tanimpanjakana madiodio ilay izy fa tsy mbola nafindra tamin’ny ministera mpiahy, hany ka tsy hitan’ny tomponandraikitrra ny fomba handàvana. Lasa betsaka ny olona mahazo tany, ampiasaina hanaovana saribao kininina, na ho an’ny filàny hazo manokana. Misy faritra tena misy aditany, izay mampifanolana ny fitantanana ny ala arovana sy ireo fokonolona ifotony. »

Tamin’ny taona 2006 no napetraka ho faritra arovana vonjimaika ny tehezan’ala ao Anjozorobe. Ny 28 aprily 2015 izy no nahazo ny sata fiarovana maharitra araka ny didimpanjakana n°2015-763. Fito taona aty aoriana, tsy mbola vita ny famaritana ny faritra arovana noho ny tsy fahavitàn’ny fanoratana ny tany amin’ny Ministera miahy ny Tontolo Iainana. Mampanahy ny hoavin’ity ala ity, satria an-jatony ny fangatahana tany nataon’olontsotra, izay samy milaza fa nanamainty molaly tamin’ny alalan’ny fambolena kininina ao anatin’ny ampahan’io faritra arovana io avokoa.

(*) Loharano : tatitra nataon’ny Unité de Coordination du Programme d’Appui à l’Agrosylviculture (UCP ASA), 2018.

Lire la suite

Ces articles peuvent aussi vous intéresser

Articles les plus consultés

Articles récents

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

L’Office des mines nationales et des industries stratégiques (Omnis) traverse une mauvaise passe entre chute de recettes et dépenses incontrôlées. Analyse. « Nous attirons également...

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

Tombanana ho velarantany azo volena sady mahavokatra mihoatra ny 6000 ha no jerempotsiny ao Menabe. Mikorontana ny fitantanana ny tambazotra avy ao Dabara, tsy...

[VIDEO] RIO TINTO QMM : “Miliara afa-drakotra”

Hatramin’ny nisian’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ataon’ny orinasa Rio Tinto  QMM ao Taolagnaro, dia tsy mbola nanolotra ny kaonty fitantanam-bolany teny anivon’ny Fitsaràna ara-bola,...

Tags les plus consultés

Mifandraisa form malina

Miarahaba,
Lasa soamantsara ny hafatra.

Ny ekipan’ny MALINA

Mifandraisa form malina

Diso

Miarahaba,
Avereno ny fangatahana azafady !

Ny ekipan’ny MALINA

Newsletter malina

Fanamarinana ny fisoratana anarana

Miarahaba,
Faly be izahay manamafy ny famandrihana anao amin'ny newsletter MALINA.

Ny ekipan’ny MALINA

Newsletter malina

Diso

Ny ekipan’ny MALINA

Mampiasa cookies ity tranonkala ity.

Rehefa manohy mizaha ity tranonkala ity ianao dia manaiky ny fampiasana cookies