Actualités

PROCESSUS ÉLECTORAL : TRANSPARENCY INTERNATIONAL - INITIATIVE MADAGASCAR RÉVÈLE LES COÛTS ESTIMATIFS DES POTENTIELS ACTES DE CORRUPTION

ÉCONOMIE BLEUE: LA LUTTE CONTRE LA PÊCHE INN,UN DÉFI POUR L’AFRIQUE ET L’OCÉAN INDIEN

DISTRIKAN’AMBANJA: Sehatr’asa azo ivelomana ny jono saingy simbain’ny tsy ara-dalàna.

Désinformation : un facteur de  corruption électorale

VaovaoCheck : une croisade à la reconquête de l’information

SANTÉ PUBLIQUE :À QUI PROFITE LE FONDS D’ÉQUITÉ ?

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Espèces sauvages : Tortues de Madagascar, l’éternelle proie des braconniers

RIO TINTO QMM : Des ristournées détournées !

Ligne FCE : un train dans le gouffre

PROCESSUS ÉLECTORAL : TRANSPARENCY INTERNATIONAL - INITIATIVE MADAGASCAR RÉVÈLE LES COÛTS ESTIMATIFS DES POTENTIELS ACTES DE CORRUPTION

ÉCONOMIE BLEUE: LA LUTTE CONTRE LA PÊCHE INN,UN DÉFI POUR L’AFRIQUE ET L’OCÉAN INDIEN

DISTRIKAN’AMBANJA: Sehatr’asa azo ivelomana ny jono saingy simbain’ny tsy ara-dalàna.

Désinformation : un facteur de  corruption électorale

VaovaoCheck : une croisade à la reconquête de l’information

SANTÉ PUBLIQUE :À QUI PROFITE LE FONDS D’ÉQUITÉ ?

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Espèces sauvages : Tortues de Madagascar, l’éternelle proie des braconniers

RIO TINTO QMM : Des ristournées détournées !

Ligne FCE : un train dans le gouffre

Voir plus d'actualités.
Actualités

PROCESSUS ÉLECTORAL : TRANSPARENCY INTERNATIONAL - INITIATIVE MADAGASCAR RÉVÈLE LES COÛTS ESTIMATIFS DES POTENTIELS ACTES DE CORRUPTION

ÉCONOMIE BLEUE: LA LUTTE CONTRE LA PÊCHE INN,UN DÉFI POUR L’AFRIQUE ET L’OCÉAN INDIEN

DISTRIKAN’AMBANJA: Sehatr’asa azo ivelomana ny jono saingy simbain’ny tsy ara-dalàna.

Désinformation : un facteur de  corruption électorale

VaovaoCheck : une croisade à la reconquête de l’information

SANTÉ PUBLIQUE :À QUI PROFITE LE FONDS D’ÉQUITÉ ?

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Espèces sauvages : Tortues de Madagascar, l’éternelle proie des braconniers

RIO TINTO QMM : Des ristournées détournées !

Ligne FCE : un train dans le gouffre

PROCESSUS ÉLECTORAL : TRANSPARENCY INTERNATIONAL - INITIATIVE MADAGASCAR RÉVÈLE LES COÛTS ESTIMATIFS DES POTENTIELS ACTES DE CORRUPTION

ÉCONOMIE BLEUE: LA LUTTE CONTRE LA PÊCHE INN,UN DÉFI POUR L’AFRIQUE ET L’OCÉAN INDIEN

DISTRIKAN’AMBANJA: Sehatr’asa azo ivelomana ny jono saingy simbain’ny tsy ara-dalàna.

Désinformation : un facteur de  corruption électorale

VaovaoCheck : une croisade à la reconquête de l’information

SANTÉ PUBLIQUE :À QUI PROFITE LE FONDS D’ÉQUITÉ ?

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Espèces sauvages : Tortues de Madagascar, l’éternelle proie des braconniers

RIO TINTO QMM : Des ristournées détournées !

Ligne FCE : un train dans le gouffre

Voir plus d'actualités.

DISTRIKAN’AMBANJA: Sehatr’asa azo ivelomana ny jono saingy simbain’ny tsy ara-dalàna.

Te hampiroborobo ny jono izay fiveloman’ny maro an’isa ao Ambanja, faritra DIANA, ireo mpanjono any an-toerana, ary misy tokoa ny ezaka hanafoanana ny tsindry samihafa amin’ny ranomasina izay mampihena ny vokatra hazandrano… Saingy mandeha ila izany ezaka izany satria betsaka ireo manao kinanga, ireo tsy mankasitraka lalàna ary ireo minia tsy manaraka izany, ka miteraka fatiantoka ho an’ny rehetra.

Iray amin’ireo distrika dimy ao amin’ny faritra DIANA ny ao Ambanja. Mirefy 6328 km² ny distrika, izay ahitana kaominina 18 ka ny 12 amin’ireo manamorona ranomasina. Mamatsy ny distrika manodidina amin’ny hazandrano ny mpanjono ao Ambanja : makamba,  trondro, dingadingana, drakaka ary ny tsivakiny. Ity distrika ity rahateo dia tafiditra ao anatin’ny faritry ny Baie d’Ambaro, Tsimipaika, Ampasindava ary Nosy-Be (BATAN). 4.000 ny mpanjono manana karatra ara-dalàna ao amin’ny faritra BATAN, ka mpanjono trondro ny maro an’isa amin’izy ireo (2.400), ao koa ny mpanjono makamba sy drakaka izay samy 600 isa avy, ary ny mpanjono dingadinganana, miisa 400.

Mihena ny vokatra, mihena ny vola

Saika hita eo amin’ireo tanàna madinika manerana ireo kaominina amorondranomasina avokoa ny karazana tsindry amin’ny ranomasina sy ny endrika tsy fanarahan-dalàna, ka mahakivy ireo mpanjono miezaka mametraka sy manaraka fitsipika. Maneho izany olan’ny sehatry ny jono madinika ao avaratr’i Madagasikara izany ny hita ao Ambolikapiky. 150 ny isan’ny mpanjono anaty fikambanana ara-dalàna ao an-toerana. Saingy na eo aza ny fanentanana amin’ny fanarahan-dalàna, dia marina hatrany ilay filaza hoe “omby indray mandry, tsy indray mifoha”, satria mbola tranga mateti-piseho any an-toerana ny fanaovana z’inona ny lalàna. “Ny fidiran’olona avy any ivelany izany mangalatra manjono amin’ny alina sy amin’ny fotoana mampikatona ny fotoam-panjonoana ary ireo mangalatra fasika no tena olana ho an’ireto mpanjono ireto”, hoy i Serge Anicet, filohan’ny Vondron’olona ifotony ao Ambolikapiky.

Mafy ny tsindry noho izany. Etsy andaniny: ny fitomboan’ny mponina sy ireo mpiavy izay tsy manaraka loatra ny fitsipi-pifehezana efa nisy. Etsy ankilany, ny fanimbana ireo faritra iveloman’ireo trondro, toy ny ala honko. Vokany mivantana : mihena ny vokatra azo, ary mihena toy izany koa ny vola miditra isambaravarana. Manazava ihany i Serge Anicet, avy ao Ambolikapiky : “Ankabiazan’olo eto mivelogno amin’ny ranomasigny. Ke ny raha agnatin’ny ranomasigny io ao efa mihegny, efa miha ritry. Ary tsy vitan’izy miha ritry, fa koa rehefa latsaka asara, mora koa ny vangan’ny laoko. Vidim-piainagna anefa lafo, ke tegna miteraka fasahiragnana aminay.”

Herimpo very maina?

Isan’ireo fitsipika tsy vaoahaja matetika ny fe-potoana fanjonoana sy ny fampiasana fitaovana ara-dalàna. Ao Doany Ankify, fokontany amorondranomasina ao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ambohimena ohatra, mampiasa ragiragy na harato kely maso ny mpanjono, ka mifaoka izay rehetra andalovany, na dia ireny trondro mbola madinika ireny aza. Tsy misy mihinana anefa izy ireny fa amidy amin’ireo mpanamboatra sakafom-biby raha ny nambaran’ireo mponina ao amin’ny fokontany Doany Ankify.

Ao ihany koa, ireo mpanjono minia miasa amin’ny fotoana fanidiana ny jono, na koa manjono amin’ny alina :  samy voararan’ny lalàna anefa ireo. Miteraka disadisa eo amin’ny samy mpanjono izany tranga izany, satria samy mitaty ny vokadratsiny avokoa na ireo miezaka manaraka ny fitsipika, na ireo minia mandika lalàna. “Marigny fa an’olo jiaby ny ranomasigny ke samby afaka mampiasa, mangala raha agnatiny ao. Fa samby tokony hahatsapa tegna koa amin’ny fiarôvagna izy tsy ho potiky fôtony samby tômpiny” hoy ireo mpanjono tao Doany Ankify. Mahatsapa tena ho miady irery ireo manara-dalàna, “Herimpo very maina ninay”, hoy izy ireo. Araka ny andininy faha-95 amin’ny lalàna 2018-026 tamin’ny 21 novambra 2018 izay mifehy ny jono eto Madagasikara, dia 750.000 Ar ka hatramin’ny 7.500.000 Ar ny sy fanagiazana ny fitaovana tsy ara-dalàna no sazy mihatra amin’ny tsy fanajana ny fe-potoana fanjonoana, ny fampiasana ny harato tsy ara-dalàna, toy ny harato kely maso, latsaky ny 15 sm.

“Tsy misy dina mifehy, rôso gaboraraka”

Na dia efa misy koa aza ny dinampokonolona, izay fitsipika sy teny ieran’ny fiarahamonina amin’ny fifampitondrana eo amin’ny sehatry ny jono madinika, dia mbola tsy nazahoana alàlana avy amin’ny fanjakana ny fampiharana izany. Mananosarotra ny toe-javatra, raha ny fanazavan’i Jaoth Yoland Christian, filohan’ny vondron’ny mpanjono. « Koa handrara irô namagna mandika raha nifagnarahagna, nefa mbala tsy managna lalàgna ifampifehezagna. Izay mitandrigny lasa mahatsiaro voa mafy, satria ireo mandika lalàgna magnarato amin’aligny, mahazo vokatra… Koa marandraigny igny efa voatabataba nandritry ny aligny irô laoko aby agnaty rano hany ka tsy mahazo firy izahay” hoy ny fanazavany.

Ity fanjonoana amin’ny alina ity dia miteraka disadisa mihitsy eo anivon’ny fiarahamonina. Ao  Doany Ankify ohatra, dia zary mitaraina ireo mpanjono ao an-tanàna noho ny afitsok’ireo mpanjono avy ao Nosy-Be. Manarato amin’ny alina ireo mpanjono avy ao Nosy-Be, ary ny trondro “sardines” no tena jonoiny.“Nagnarato andra mazava fo zahay tiô fa tafarafara taty efa tsy mahazo raha firy ke miboaka aligny koa zahay tafarafara tato, fôtony irô ‘sardines’ aby io mandeha amin’ny andiany maro koa aligny. Fa na zegny efa manomboko tsy mahazo raha koa zahay tato ho ato” hoy Jimmy Be, anisan’ireo mpanjono amin’ny alina. Voarara anefa io fanjonoana alina io, ka miteraka disadisa eo amin’ny samy mpanjono, satria ao ny mihevitra fa tsy fitsinjovana ny be sy ny maro izany fandrararana jono izany.   “Mbola tsy tafapita amin’ny rehetra tokoa ny fampahafantarana ny  voka-dratsy ateraky tsindry be loatra amin’ny zava-manan’aina an-dranomasina, ka lasa tsy misy mihevitra ny fandraràna ho fitiavan-tenan’ireo miaro azy ireo tsy ho lany tamingana”, hoy Soanada, isan’ireo mpanjono ao amin’ny faritra BATAN. “Ilay fandraràna anefa tsy maintsy hatao satria raha hanjono isan’andro sy isan’alina mandritra ny taona, dia ho lany tamingana ny hazandrano rehetra ka samy tsy hahita tombony amin’izany isika rehetra”, hoy ihany ny filazany.

Manamafy hatrany i Jaoth Yoland Christian, filohan’ny vondron’ny mpanjono, fa ny tsy fanajàna lalàna sy ny tsy fahafahana mampiasa ny dina no fototr’olana, satria tsy misy sazy mihatra : “Koa tsy misy dina mifehy, rôso gaboraraka, ho lany tamingana irô laoko aby io”.

Lasibatra ny ala honko

Ny ala honko ihany no tena lasibatra amin’ny fanimbàna tontolo an-dranomasina mazana, ary tena loza ny vokadratsy entin’izany satria toera-piveloman’ny hazandrano ny honko no sady miaro ny sisintany amin’ny fikaohon’ny riaka sy ny fiakaran’ny rano raha sendra tondradrano.

“Feno ala hônko teto Ambolikapiky teto, fa navian’ireo ‘mpihavy’ aby io niditry agnaty ala nanapaka kakazo, nagnano charbon. Nihena ny ala hônko. Nahita igny koa zahay tompon-tanàna mba nagnano, ke ripaka tanteraka ny ala hônko magnodidigny izahay tato. Vokany, tsisy laoko, tsy nanonga drakaka, makamba fefiky. Sahiragna amin’zay izahay”hoy ny fitantaran’i Serge Anicet, filohan’ny CLB ao Ambolikapiky.

Tsy vitan’ny fandripahana ihany no mahasimba ny honko, fa ao koa ny afitsok’ireo olona mangalatra maka fasika amin’ny alina. Fasika amidy amin’ireo tompon’ny botry izany. Mitera-doza satria rehefa tsy misy intsony fasika miaro, dia midona avy hatrany amin’ny hônko ny rano riaka ka manimba azy. Manimba ihany koa ireo zava-maniry hafa toy ny ahi-bilela sy mandrômbo izay toerana fanatodizan’ny trondro izany. Mahita faisana ihany koa ny dingadingana, izay lasa manjavona noho ny toerana ipetrahany simban’ny olombelona. Hatreto dia saziana 300 000 ariary ny botry izay tratra maka fasika, ary giazana ny fitaovana miaraka amin’ny CSP raha tratra manarato amin’ny alina, fa indrindra ireo mampiasa fitaovana voararan’ny lalàna.

Aleony manao kolikoly toy izay hiditra amin’ny ara-dalàna

Isan’ny laharampahamehana amin’ny fanatsaràna ny sehatry ny jono koa ny fampidirana ny mpanjono ao anatin’ny rafitra ara-dalàna. Mazava ho azy fa ilàna taratasy fazahoandalana avokoa ny fikirakirana ny jono rehetra, manomboka any an-dranomasina ka hatrany an-tsena, na tsena anatiny izany na tsena ivelany. Ny mpanjono dia tokony hanana karatra maha-mpanjono azy, rehefa miditra anatin’ny fikambanana. Ny mpivarotra kosa dia tokony hanana ny karatry ny mpivarotra ambongadiny (carte de mareyeur) mba ahafahany mivarotra ambongadiny ny vokatra izay azony ao anatin’ny distrika misy azy. Karatry ny mpiantoka (carte de collecteur) kosa no ampiasain’ireo izay hivarotra ivelan’ny distrika. “Fa ny olana dia aleon’izy ireo (ireo mpivarotra mpamongady NDRL) mandoa vola any amin’ny “police de la route” toy izay hiditra amin’ny ara-dalàna”, hoy Ranajason Emilien, mpiandraikitra ny tsenam-panjakana eo anivon’ny biraomparitry ny Jono sy ny Toekarena manga (DRPEB) ao DIANA.

Fanahy iniana tsotra izao izany tsy fanarahan-dalàna izany, mba ialàna amin’ny fandohavana hetra : raha toa koa 400.000 Ar no tokony halohan’ny mpiantoka vokatra hazandrano iray, dia aleony manao risoriso mba hanomezana latsak’izay. Hany ka mitarika fatiantoka ho an’ny kaominina sy ny faritra ny fizirizirian’ireo tsy mpanara-dalàna toy mpanjono “manome kely”, na ireo tomponandraikitra mandray na mitaky mihitsy.

VokatraKaratraMpanome alàlanaVola aloa
MakambaMpambongady (Mareyeur)     Mpiantoka (Collecteur) Mpanondrana (Exportateur)Sampandraharahan’ny jono eny amin’ny faritra   Minisitera  40.000 Ar     1.500.000 Ar
TrondroMpambongady (Mareyeur)     Mpiantoka (Collecteur) Mpanondrana (Exportateur)Sampandraharahan’ny jono eny amin’ny faritra   Minisitera   Minisitera20.000Ar       400.000Ar   /
DrakakaMpambongady (Mareyeur)     Mpiantoka (Collecteur) Mpanondrana (Exportateur)Sampandraharahan’ny jono eny amin’ny faritra   Minisitera20.000Ar       1.550.000Ar   /

Fafana mamintina ny hetra aloa isaky ny karazambokatra sy isaky ny sokajin’asa

Onitra hanampiana ireo mpanjono madinika

Toe-javatra mampihena ny vokatra hazandrano koa anefa ny fifanitsahan’ny fari-panjoanana ho an’ny sambo lehibe sy salantsalany, sy ireo lakana madinika. Raha ny ao Ambanja, dia hita fa misy sambo salantsalany mpanjono makamba mikisaka amin’ny sisindrano, ka mifaoka hatramin’ny fitaovana ampiasan’ireo mpanjono madinika. Miditra amin’ny faritra anjonoan’ny mpanjono madinika ireo sambo lehibe ireo noho ireo makamba izay tsy mijanona eny amin’ny rano lalina. “Ireo sambo lehibe anefa dia mandoa vola be amin’ny Fanjakana ka raha tsy manaraka ireo makamba eny amin’ny sisiny izy ireo dia tsy mahazo vokatra firy”, raha ny fanazavana nomen’Andriamandroso Elvend Aurelien, tomponandraikitra anivon’ny sampandraharaha misahana ny jono sy ny fihariana an-dranomasina eto Ambanja.

“Ho fanonerana izany dia 78.000.000 Ar isan-taona no omen’ny orinasa Réfrigépêche ho an’ireo mpanjono madinika amin’ny alalan’ny fikambanana. Onitra omena noho ireo sambo mpaka makamba manjono amin’ny sisin-dranomasina, amin’ny faritra A, izay manomboka ao Antsiranana ka hatrany Analalava”, hoy hatrany Andriamandroso Elvend Aurelien. Ampiasaina amin’ny “fambolena hamerenana ny ala hônko amin’ny laony sy hanampiana ireo mpanjono madinika ao anaty fikambanana amin’ny alalan’ny fitaovana hampiasaina mifandray amin’ny jono na koa vadin’asa azo atao ny vola”. Ohatra amin’izany ny hita eny Ambohimena araka ny fanazavan’ny lefitry ny Ben’ny tanàna ao amin’ity kaominina ambanivohitra ity, amin’ny lafiny fampitaovana ny mpanjono.“Mba ho fanampiana ireo mpanjono sy ho fanentanana azy ireo hiala amin’ny fampiasana harato tsy manara-dalàna dia iantohana ny 50% amin’ny harato ho an’izay vonona hiala amin’ny fampiasana harato tsy ara-dalàna”.

Vadin’asa ho fitsonjovana ny vodiandro merika

Ho fitsinjovana ny vodiandro merika dia mihevitra izay vadin’asa azony atao ireo mpanjono sasany, mba tsy hiankina be loatra amin’ny vokatry ny jono. Ny ao Ambolikapiky ohatra dia nanangana zaridaina legioma ny mpanjono anaty fikambanana, izay mivadika ho fidiram-bola sy fomba hafa hahazoana sakafo ankoatran’ny fanjonoana. Tsy dia manahirana ho azy ireo noho izany ny fametrahana lalàna ifampifehezana ao anatiny amin’ny faritra misy azy, toy ny famerana ny vanimpotoam-panjonoana.

Efa napetraka tamin’ny taona 2018 ny drafi-panajariana ny jono ao amin’ny BATAN, izay faritra fahatelo taorian’ny tao Antongile sy Melaky. Drafitra lehibe entina hanatsarana ny sehatry ny jono sy hampihenana ny tsindry amin’ny ranomasina izany, kanefa ilaina ny ezaka iaraha-manantanteraka mba tsy handeha ila ny asa. Marina fa tomponandraikitra voalohany ny Fanjakana, fa manana ny tandrify azy hatrany ny mpanjono eny ifotony.

Encadré

Ezaka ifotony ho fanampiana ny mpanjono

Miara-mientana amin’ny fanarenana ny ala hônko ireo mpanjono, tohanana rafitra toy ny Blue Ventures, izay misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo an-dranomasina sy fanarenana ny jono madinika. 1700 ireo mpanjono andranomasina ao amin’ny faritra iasan’ity vondrona ity ao Ambanja. Manazava ireo asa tanterahana ny tomponandraikitra ao amin’ny Blue Ventures ao Ambanja  : “Manampy ireo mpanjono hiala amin’ny jono tsy ara-dalàna, manome tohana amin’ny fiarovana ny  hara sy ny fanarenana amin’ny ankapobeny ny tontolo iainana an-dranomasina”. Ao koa ny fanampiana amin’ny lafiny fahasalamana, fanabeazana, sy ny fitadiavana vadin’asa mba tsy hitavandràna amin’ny jono tsy manara-dalàna sy ny hananan’ny mpanjono asa fivelomanana hafa, mandritra ny fe-potoana mampikatona ny jono. “ Ny taona 2016 izao ohatra, tsy nisy makamba teto Ambanja. Kanefa efa maherin’ny 1500 ha kosa ny ala honko voaarina ankehitriny, ka manomboka miverina ny fahasalaman’ny tontolo an-dranomasina” hoy ihany ity tomponandraikitra ao amin’ny Blue Ventures  ity.

Raha ny antontan’isa nomen’ny Blue ventures, izay mitantana fari-dranomasina valo ao Ambanja dia tahaka izao no vokatra miakatra sy ny vidiny :

VokatraHabetsany miakatra isan’androVidiny / kg
Trondro15 ka hatramin’ny 40 taonina5.000 Ar
Drakaka1 ka hatramin’ny 2 taonina4.500 Ar
Dingadingana644 kg hatramin’ny 1 taonina6.000 Ar

Harynah Ramanantsoa

Lenda William

Claire Emelie Sabotsy

Lire la suite

Ces articles peuvent aussi vous intéresser

Articles les plus consultés

Articles récents

PROCESSUS ÉLECTORAL : TRANSPARENCY INTERNATIONAL – INITIATIVE MADAGASCAR RÉVÈLE LES COÛTS ESTIMATIFS DES POTENTIELS ACTES DE CORRUPTION

D’après le calendrier officiellement établi par la Commission Électorale Nationale 16 novembre 2023 : une élection contestée sur fond d’irrégularités, de violences, de violations de...

ÉCONOMIE BLEUE: LA LUTTE CONTRE LA PÊCHE INN,UN DÉFI POUR L’AFRIQUE ET L’OCÉAN INDIEN

La corruption et la pêche illégale non-déclarée et non-réglementée (INN) menacent la sécurité alimentaire des populations côtières de Madagascar et de l’océan Indien. Ces...

DISTRIKAN’AMBANJA: Sehatr’asa azo ivelomana ny jono saingy simbain’ny tsy ara-dalàna.

Te hampiroborobo ny jono izay fiveloman’ny maro an’isa ao Ambanja, faritra DIANA, ireo mpanjono any an-toerana, ary misy tokoa ny ezaka hanafoanana ny tsindry...

Tags les plus consultés

Formulaire de Contact malina

Bonjour,
Votre message a bien été envoyé.

L'équipe MALINA

Formulaire de Contact malina

Erreur

Bonjour,
Veuillez réessayer votre demande svp !

L'équipe MALINA

Newsletter malina

Confirmation inscription

Bonjour,
Nous sommes très heureux de confirmer votre abonnement à la newsletter MALINA.

L'équipe MALINA

Newsletter malina

Erreur

L'équipe MALINA

Ce site web utilise des cookies.

En poursuivant votre navigation sur ce site, vous acceptez, l'utilisation des cookies