Vaovao

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

[VIDEO] RIO TINTO QMM : "Miliara afa-drakotra"

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est !

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

[Vidéo] Covid-19 : "SAVA PAS!"

Grafita ao Brickaville : manjavozavo ny tombony ho an'ny mponina!

[VIDEO] Lavanilina sy jono, sehatra ianjadian'ny kolikoly

Fanondranana omby an-tsokosoko eto Madagasikara

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

[VIDEO] RIO TINTO QMM : "Miliara afa-drakotra"

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est !

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

[Vidéo] Covid-19 : "SAVA PAS!"

Grafita ao Brickaville : manjavozavo ny tombony ho an'ny mponina!

[VIDEO] Lavanilina sy jono, sehatra ianjadian'ny kolikoly

Fanondranana omby an-tsokosoko eto Madagasikara

Hijery vaovao hafa.
Vaovao

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

[VIDEO] RIO TINTO QMM : "Miliara afa-drakotra"

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est !

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

[Vidéo] Covid-19 : "SAVA PAS!"

Grafita ao Brickaville : manjavozavo ny tombony ho an'ny mponina!

[VIDEO] Lavanilina sy jono, sehatra ianjadian'ny kolikoly

Fanondranana omby an-tsokosoko eto Madagasikara

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

[VIDEO] RIO TINTO QMM : "Miliara afa-drakotra"

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est !

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

[Vidéo] Covid-19 : "SAVA PAS!"

Grafita ao Brickaville : manjavozavo ny tombony ho an'ny mponina!

[VIDEO] Lavanilina sy jono, sehatra ianjadian'ny kolikoly

Fanondranana omby an-tsokosoko eto Madagasikara

Hijery vaovao hafa.

Fifidianana tao Morondava : Nosamborina ny Kandida Mamy Claver

Rehefa noafahana andro iray mialohan’ny androm-pifidianana noho ny raharaha fanangonana karatry ny mpifidy izay tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana sy fividianana safidim-bahoaka dia nosamborina indray i Mamy Meryson Claver, kandidà ho Ben’ny Tanàna laharana fahadimy teto Morondava, ny alin’ny alakamisy 2 janoary 2020 teo ary naiditra amponja vonjimaika iny alina iny ihany.

Nosoratan’i Naboto sy Mazavavolana

Rehefa noafahana andro iray mialohan’ny androm-pifidianana noho ny raharaha fanangonana karatry ny mpifidy izay tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana sy fividianana safidim-bahoaka dia nosamborina indray i Mamy Meryson Claver, kandidà ho Ben’ny Tanàna laharana fahadimy teto Morondava, ny alin’ny alakamisy 2 janoary 2020 teo ary naiditra amponja vonjimaika iny alina iny ihany.

Paikady vaovao niteraka resabe sy ahiahy

Fanangonana karapifidianana no paikady hitan’ity kandidà iray ity fa hampahomby ny filatsahan-kofidiana ho Ben’ny Tanàna izay nataony tao Morondava. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ity kandidà ity nandritra ny pré-campagne moa dia tsotra ny heviny  :

« Mba hahazahoako antoka fa tena olona afaka mifidy ireo olona tolorako fanomezana mialoha sy mandritra ny fifidianana dia tsy maintsy manangona ny kara-pifidianan’izy ireo izahay ».

Notanterahina tokoa ny fanangonana karatra isan-tokantrano ary tsy nisy fokontany tsy voakasika amin’ireo valoambinifolo  mandrafitra ny Kaominina Ambonivohitra teto Morondava. Mandainga izay nilaza fa tsy nahalala ny fisian’izany fanangonana karapifidianana izany tao Morondava satria dia niteraka resa-be izany. Nalaza sy nanenika vetivety ny tanànan’ny Morondava ny fisian’izany fanangonana karapifidianana izany tao Morondava satria dia niteraka resa-be teny rehetra teny ary tonga hatreny amin’ny haino aman-jery aza. Nandeha nitety ny isan-tokantrano ireo mpiara-dia tamin’ny kandidà ka nandresy lahatra ny mpifidy. Toy izao ny fanao, araka ny fitantaran’ny vavolombelona tsy te-hanonona anarana iray hoe: 

« Mila an’ity karatra ity ny kandidà mba ho porofo fa mpifidy voasoratra anaty lisitra ianareo ka hisy raha kelikely hamea, mety ho vola na fitaova fa isika izay  voahorona karatra ihany no mahazo izany. Tsy fividiana ny safidinareo fa ho antoky fa hifidy ianao ary azonareo tokoa ny fanomezana».

Maro ny mpifidy no roboka ka nanome ny karany satria « Zara aza mba hahazo ». Adikan’ireo mpanara-dia aminy amin’ny kahie iray ireo anarana voasoratra eo amin’ny karatra dia iny no anaovana ny kajikajy amin’izay fizarana hatao na vola na fitaovana toy ny koveta. Tazomina amin’ny toerana iray fa tsy averina amin’ny tompony anefa ny karatra. Araka ny re nandritra ny fampielezan-kevitra natao ny tao Ankisirasira atsimo, ohatra, dia nolazain’ity kandidà ity teo ampamarana ny kabariny fa “ianareo efajato aty aminay karatra ihany no mankany”.

Marihina fa miisa 1344 ny mpifidy voasoratra anarana ao amin’ity Fokontany ityary 555 no isan’ireo tonga nifidy amin’ireo Biraom-pifidianana roa mitambatra. 417 ny vato azon’ny kandidà laharana fahadimy. Adikan’ireo mpanara-dia aminy amin’ny kahie iray ireo anarana voasoratra eo amin’ny karatra dia iny no anaovana ny kajikajy amin’izay fizarana hatao na vola na   fitaovana toy ny koveta.Tazomina amin’ny toerana iray fa tsy averina amin’ny tompony anefa ny karatra.

Ny Kandidà Koto II Richard dia nanambara ny tsy fankasitrahany izao fangoronana ny karapifidiana nataon’ny kandidà mpifaninana aminy izao izay nolazainy fa:

“Tsy mbola nahita na naheno ity fanao ity aho hatramin’izay nisian’ny fifidianana teto Madagasikara, asa any Afrika”. Nanamafy koa izy fa “mifanahantsahana amin’ny karatra voaangona ny vato azon’I Mamy Claver ny isan’ny karatra voaangony isam-pokontany”. Ho an’ity kandida ity dia adikany ho: “fanitsakitsahana ny fahafahan’ny mpifidy sy ny fahamarinan’ny fifidianana” iny fomba fanao iny.

Nokasaina ho hazonina hatramin’ny farany ny karatra

Nanomboka nitaraina ny tompon’ny karatra sasany rehefa nahare fa tsy haverina ny karatra raha tsy any amin’ny roa andro mialoha ny androm-pifidianana. Isan’ny fanazavana nomena ireo tompon’ny karapifidianana ireo ny hoe « Mbola hisy fizarana farany ». Amin’ny faradoboka angamba no nokendrena tamin’izany.Nanomboka teo dia nahoraka eran’ny tanànan’I Morondava ity fanao iray vaovao ity. Nandritra ny sehatra ifampidinihana farany nomanin’ny rantsamangaikan’ny CENI Morondava tao amin’ny efitrano fanaovam-petin’ny Lycée Pôle Morondava izay natrehin’nyPréfet ary nanasana ireo mpiantsehatra tamin’iny fifidianana iny ny alahady 3n ovambra nanomboka tamin’ny telo ora tolakandro dia nisy kandidà iray namaky bantsilana ampahibemaso ny fisian’ity fangonanana karapifidianana ataon’ny kandidà Mamy Claver ity.

Nazava ary hentitra ny valintenin-dRaheriniaina Aurélien, filohan’ny Kaomisiona Rezionaly ao amin’ny CENI Menabe, fa :

« Tsy azo atao ary tsy ara-dalàna izany »

Mbola nitohy ihany anefa ny fanangonana natao.

Taratasy fametraham-panontaniana

Teo anatrehan’izany rehetra izany dia nandefa taratasy ho fametraham-panontaniana taoamin’ny CED Morondava ny kandidà Kolo Frijof, mitondra ny laharana faharoa. Nampahafantatra ny fisian’ity fanangonana karapifidianana ataon’ity kandidà mpifaninana aminy ity an-taratasy izy no sady nanontany ny hevitry ny CENI ny amin’ny maha ara-dalàna izany fanao izany natsia.
Nampiakarin’ny teo anivon’ny CED tany amin’ny CENI foibe izany taratasy izany. Nanomboka teo dia azo ambara fa nahalala ny fisian’izao raharaha izao ity rafitra mpanomana ny fifidianana eto Madagasikara ity na dia tsy dia nahenoan-teny loatra aza teny amboalohany.

Nahatsikaritra izany ny mpanaramaso Safidy ary nanao tatitra

Isan’ny mpanaramaso ny fifidianana niantsehatra teto Morondava ny Safidy. Nanabe ny olompirenena izy ireo tamin’ny alalan’ny asa fanentanana isam-pokontany izay nataony ary dia nanaramaso ihany koa nyzotram-pifidianana kaominal ytetoMorondava. Nanamafy i TahindrazaFarezy Walter, tomponandraikitra voalohany tamin’ny fanaraha-maso ity teto Morondava fa: « Naharaka ity raharaha fanangonana karatra ary nanao tatitra tany amin’ny rafitra teo amboniny ». Nangina teo koa anefa iny làlana iray iny satria tsy nisy tohiny nivaingana. Toa lasa heverin’ny maro fa mety ary manaraka ny fenitra takian’ny fifidianana marina sy mangarahara ary eken’ny rehetra, arakany filamatra dradradradraina etsy sy eroa isaky ny vanimpotoam-pifidianana ity fomba fanao ity.

Fitoriana napetraka amin’ny anaran’ny CENI

Nihanahoraka ny resaka tao Morondava ary dia nilatsaka ny fanapahan-kevitra fa hametraka fitoriana ny CENI amin’ny alalan’ny rantsamangaikany, ,mazava ho azy. Napetraka teny amin’ny fampanoavana izany ary nahazo ny dikamitovy ny tao amin’ny Prefektiora Morondava.
Nitsangana ny kaomisiona iraisana mpanao fanadihadiana izay nahitana ireo mpanao famotorana teo anivon’ny Zandarimariampirenena sy ny Polisy izay nampian’nyMiaramila. Nisy ny fisamborana, maro ireo karatra tratra, tsy vitsy ny fijoroana vavolombelona noraisina. Isan’ireo nijoro vavolombelona ireo Sefo Fokontany 18 misy eto Morondava izay samy nanamafy ny fisian’izany fanangonana karatra izany teny anivon’ny Fokontany iadidian’izy ireo avy. Tao koa ireo nahatsiaro fa voahitsaka zo noho izao raharaha izao ka nijoro ho vavolombelona, mba hanampy sy hanamora ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana.

Nosamborina voalohany dia navotsotra

Nifarana tamin’ny fisaborana ity kandidà ity ny vokatry ny fanadihadiana izay nataon’ireo mpitandro filaminana teo anivon’ny OMC Morondava. Naseho ampahibemaso tamin’ny alalan’ny valandresak anatao ho an’ny mpanao gazety ny sabotsy 23 novambra 2019 tolakandro ireo porofo mitohoka amin’ny tenda voaangon’ireo mpanao famotorana : karatra sy kahie niraketana ireo lisitra.
Notazomina 48 ora tao amin’ny biraon’ny Zandary tao Morondava i Mamy Meryson Claver taorian’izany. Navotsotra izy ny marainan’ny talata faha-26 novambra 2019, andro iray nialoha ny fifidianana. Nahoraka nanerana ny tanàna fa izao fivoahany izao dia vokatry ny fanelanelanana izay nataon’ny mpikambana iray eo anivon’ny Governemanta sy olomboafidy iray aoMorondava. Tsy misy sahy mijoro ho vavolombelona mikasika izany kanefa na dia fantatra aza ny fisian’izany fanelanelanana sy baiko midina nataon’ireompanao politika miaraka amin’ny fitondrana ankehitriny nanao izany ka sarotra ny mitoroka azy eto.
Toa sosoa voatampo-drano teo ny Tonia Mpampanoa Lalàna izay teo ampandinihana tanteraka ny antontan-taratasy mahakasika izao raharaha izao.
Noraisin’ny kandidà Mamy Meryson Claver ho fandresena izany ka ny fivezevezeny manerana ny tanàna dia ampy nahazoany ny fon’ny mpifidy noho ny alahelo satria dia nampiasa ny tambazotraara-tsosialy sy radio tsy miankina iray teto Morondava ireo mpiara-dia azy ary dia nahomby tokoa izany ho an’ny faritra atsinanan’ny Morondava manontolo izay tena nitarihany. Tena nizara roa mazana ny vokatra, ny kandidà laharana faharoa IRK nitarika tao amin’ireo Fokontany tao antampon-tanàna fa i Mamy Meryson Claver, kandidà laharana fahadimy koa nitarika taty amin’ny ilany atsinanan’ny Kaominina.

Nijoro ny Tonia mpampanoa lalàna

Na dia teo aza izany fanelanelanana nisy tamin’ny fisamborana voalohany izany dia nandray fanapahan-kevitra ny Tonia Mpampanoa Lalàna ao Morondava ny hanokatra indray izany raharaha izany. Fanontaniana napetraky ny maro raha teo ny hoe “Iza no manao inona, no hampiharana na tsia ny lalàna toa inona eto Morondava? Hatraiza ny fahefan’ny mpanao politika amin’ny fitsarana ? Manaraka ny lalàna velona ve manomboka eto ka hatao fa nao ny fanangonana karapifidianana isak’izay misy fifidianana eto amin’ny tany sy ny firenena ?”
Azo ambara fa mitsangana ary manana ny fahaleovantena ny ny Fitsarana eto Morondava. Fantatra fa tsy mora ny miatrika sy hiatrika izany. Tsy nihemotra fa niroso hampanjaka ny tany tan-dalàna izay imatimatesan’ny fanjakana ankehitriny na dia nisy na tsia ny fanelanelanana ataon’ny mpanao politika mpanohana ny fitondrana ankehitriny noho ny rohim-pihavanana sy finamàna anan’izy ireo sy ny kandidà Mamy Meryson Claver. Fanelanelanana izay miendrika kolikoly avolenta. Ny saina tsy tana aza te-handeha lavitra kokoa hoe « Misy resa-bola ve ambadik’izao rehetra izao ? ». Tsy mampino mantsy raha mpanao politika manana ny mahaizy azy ary manohana ny fitondrana no tsy manampy ny kandidà atolotry ny fitondrana fa miaro kandidà tsy miankina.
Tamin’ny sivy oraalina no voasambotra tao amin’ny Fokontany Andakabe i Mamy Meryson Claver ny alakamisy faharoa ny volana janoary ary fantatra fa naiditra amponja vonjimaika afaka adiny roa taty aorian’izay araka ny fanapahan-kevitry ny Tonia Mpampanoa Lalàna ao Morondava.

Fihetseketsehan’ny mpanohana

Nanomboka namondrona ny heriny ireo mpiara-dia amin’ity kKandidà ity ny zoma faha-telon’ny volana janoary hariva taoamin’ny« Quartier général » tao Ambalanomby ka nanao fanambarana mitaky ny hamoahana an’ity kandidà voasambotra sy naiditra amponja vonjimaika ity. Nisy sora-baventy nanehoan’izy ireo izany fitakiana izany. Nangonin’ny mpitandro filaminana izany rehefa nanomboka ho hariva ny andro dia nirava ampilaminana ny hetsika iny andron’iny.
Tsikaritra ihany koa fa misy ireo mpanao politika manao fanambarana etsy sy eroa ka mampiasa anaram-poko ho fitakiana ny famotsorana ity kandidà ity. Ao moa ny manitsy avy hatrany fa resaka politika rano iray no misy.

Fandikan-dalàna sa resaka politika ?

Manoloanany toe-javatra ohatr’izao moa dia samy manana ny handroritany azy ny maro. Ao ireo manitrikitrika fa dia resaka politika rano iray izao mitranga izao satria resy ny Kandidà IRD dia anaovana antsojay ny kandida tsy miankin ampandresy. Ampahatsiahivina anefa fa tsy mbola nisy ny fandatsaham-bato dia efa nosamborina voalohany ity Kandidà ity.

  • • Ny Lalàmpanorenana Malagasy dia miaro ny fahafahan’ny tsirairay hisafidy malalaka satria an’ny vahoaka ny fahefana manendry ankahalalahana izay solontenany hitondra ny Kaominina (and. 5). Miaro toy ny anankan driamaso izany fahafahana fototra izany ny Lalàmpanorenana (and. 7, 10).
  • • Manaja izany toetsaina fototra hita ao amin’ny Lalàmpanorenana Malagasy izany ny Lalàna fehizoro nahitsy 2018-008 momba ny fifidianana sy ny Fitsapakevibahoaka.
  • • Fitaovana iray manaporofo ny fisoratan’ny mpifidy iray anaty lisi-pifidianana ny karapifidianana (and.45 lalàna fehizoro 2018-008). Fepetra tsy azo ivalozana ahafahan’ny mpifidy iray handray anjara na tsia amin’ny fifidianana (ho mpifidy na mpilatsaka ho fidiana) anefa ny fisoratana anaty lisitry ny mpifidy (and. 3 ny lalàna fehizoro 2018-008). Saropady araka izany ity fitaovana iray ity. Amin’ny maha-karatra azy dia natao ho an’ny isambatan’olona mahafeno fepetra izany ary tsy natao hisaraka aminy ka raha misy ny fahaverezany na fahasimbany dia anaovana fanambarana mba hahafahana manolo izany (And. 49 ny lalànafehizoro 2018-008).

Tsiahivina fa mahavoa sazy ny fanodikodonana ireo fitaovana fampiasa amin’ny fifidianana toa ny karapifidianana arak an yand. 229 lalàna fehizoro 2018-008, ihany.

Faneriterena ny mpifidy

Miendrika faneriterena ny mpifidy mivantana ihany koa ity tranga ity izay mifanohitra tanteraka amin’ny fenitra demokratika indrindra moa mbola misy fanomezana vola sy koveta manokana ho an’ireo olona voahorona karatra. Eto no mipoitra ho azy ilay tohakevitra faharoa dia ny fividianana ny safidim-bahoaka zay marefo sy lanaky ny fahantrana. Tranga izay azo sokajiana ao anatin’ny karazanakolikoly.
Ho an’ity kandidà ity tokoa mantsy dia lazainy ampahibemaso isak’izay mamarana ny kabariny izy nandritra ny fampielezankevitra, indrindra tao amin’ny faritra atsinanan ’i Morondava izay nahazoany vato be indrindra, fa « Ho anareo izay aty aminay ny karapifidianany dia misy fanomezanakely ho anareo ka ao amin’ny (manondro toerana sy fotoanaizy) no hanaovanaizany ». Tsindriany matetika fa «Aoka hazava fa ho anareo aty aminay ny karany », indraindray manonona isa izy sady mandindry hoe « Aza mankany ny ankoatra izay fa tsy hahazomihitsy ».
Manoloana izao raharaha izao diahita fa tsy dia miraika loatra ny vahoaka eto Morondava izay manombok amiatrika ny fiainana andavanandrony taorian’ireny fety nifandimby ireny amin’ny ankapobeny. Ny mpiara-dia amin’ity Kandidàity moa dia nanao meeting teoamin’ny tokontany nisy ny birao fiasan’ity mpandraharaha kandidà voasambotra vonjimaika ity ka namelatra sora-baventy sy nanao fanambarana tamin’ny haino vaky jery sasantsany teto Morondava. Hita mivezivezy etsy sy eroa ny mpitandro ny filaminana mitambatra na mandeha an-tongotra na amin’nyfiara. Tonga ao Morondava hanatevin-daharana ireo rahalahiny ihany koa ny FIP syny FIGN avy ao Antananarivo

Fihaonana itadiavam-bahaolana

Fivoariana nahitana ireo Olobe ao Morondava no nanamarika ny andron’ny alatsinainy 4 janoary 2020 tontolo andro sy ny talata 5 janoary maraina. Nisy Olobe roapolo nihaona tamin’ny Préfet sy ny Gouverneur ny alatsinainy maraina tao amin’ny trano fivorian’ny Prefecture. Ny Prefet no nitarika sy nanokatra ny fivoriana. Avy hatrany moa dia nihaino ny hetahetan’ireto Olobei reto izyireo. Amin’ny ankapobeny dia nangataka fanazavana amin’ireto manampahefana ireo ireto Olobe amin’ny anton’izao fisamborana sy fampidirana amponja an’I Mamy Claver izao. Heverin’izy ireto fa tsy hitondra soa sy filaminana ho an’ny tanànan’I Morondava izao raharaha izao ka nangatahan’izy ireto tamin’ireto mpitondra ny hahamotsorana avy hatranyan’I Mamy Claver na hanomezana azy fahalalahana hody an-tranony mandram-pahatonga ny fotoana hitsarana azy. I Roberto Miadamana, Ben’nytanànan’I Bemanonga ankehitriny moa dia namaky bantsilana ny tsy fankasitrahan’ny“Grand Sud-Est” izao fisamborana izao fa dia nosakanana avy hatrany ny tsy hiresahana foko manoloana izao raharaha izao.

Arak’izany famintinana nataon’ny Préfet tamin’ny mpanao gazety dia voaray ny hetaheta dia ho dinihina. Ny hariva indray tao amin’nyEspace Chris dia nisy fivorian’ny Olobe hafa indray izay niisa 69 araka ny fanamarinam-pahatongavana voasonia. Teboka enina no navoaitran’izy ireo tamin’ny alalan’ny fitantanana an-tsoratra natao ny dia :

“Ny fametrahana fitokisana amin’ny fitsarana mahefa sy ny famelana azy hiasa malalaka, tsy fanekena izay fomba rehetra hanerena ny fitsaranana ankolaka na mivantana, fitakiana fampiharana ny lalàna ho an’nyrehetra, tsy fanekena ny fihetsika rehetra mety hanohitohina ny filaminana sy fihavanana ao Morondava, ny tsy fanekena ny fivoizana resaka foko manoloana izao raharaha izao, fangatahana ny hitondran’ny CENI na CED fanazavana manoloana izao raharaha izao”. 

Noentina teny amin’ny Governora ity hefinkevitra ity ny ampitson’io ary tsy azon’ny mpanao gazety natrehina ny fihaonana fa nisy kosa fanambarana natao manoloana ny mpanao gazety taorian’izay.

Nahoraka tampoka tao antampon-tanànan’i Morondava ny vaovao fa hivoaka ny fonja I Mamy Claver ny alarobia 8 janoary 2020. Nivoaka ny fonja tokoa izy nyalina, sahabo tamin’ny fito ora.

Niteraka fanontaniana maro etsy sy eroa izao fivoahana izao. Isan’irenyny hoe: Fa inona marina ny zava-misy fa toa atao kilalao ity raharaha ity? Oviana indray no hitohy? Misy ambadika politikave? Misy fanerena ve nahazo ny Tonia Mpampanoa lalàna? Fa nahoana no atao izao ity candida ity? Hanana ny fahafahany hitondra ny kaominina ve sa ho rahonan’ny fitondrana hatrany?

Ny Tonia mpampanoa lalàna ao Morondava dia nanazava fa :

“fahafahana vonjimaika na liberté provisoire io nahafahany mivoaka io”.

Misy ifandraisany amin’ny fihaonan’ireo Olobe tamin’ny mpitondra teto antoerana ny alatsinainy maraina ve izao fivoahana izao? Asa,  fa mbola mitohy ny tantara.

Tany tandalàna i Madagasikara ka heverina fa ny fanajana ny fahafahan’ny fitsarana amin’ny alalan’ny famelana azy hiasa sy fanaraha-masony fomba fiasany ampahamarinana sy ampahamalinana no tokony ho adidin’ny tsirairay na iza na iza. Mitovy rahateo ny rehetra eo anatrehan’nylalàna (and 6 Lalàmpanorenana Malagasy). Mbola tsy fantatra moa hatreto ny daty hitsarana iza oraharahai zao, ny fitsarana rahateo mbola ao anatin’ny fotoana fialany sasatra.

Lire la suite

Ces articles peuvent aussi vous intéresser

Articles les plus consultés

Articles récents

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

L’Office des mines nationales et des industries stratégiques (Omnis) traverse une mauvaise passe entre chute de recettes et dépenses incontrôlées. Analyse. « Nous attirons également...

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

Tombanana ho velarantany azo volena sady mahavokatra mihoatra ny 6000 ha no jerempotsiny ao Menabe. Mikorontana ny fitantanana ny tambazotra avy ao Dabara, tsy...

[VIDEO] RIO TINTO QMM : “Miliara afa-drakotra”

Hatramin’ny nisian’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ataon’ny orinasa Rio Tinto  QMM ao Taolagnaro, dia tsy mbola nanolotra ny kaonty fitantanam-bolany teny anivon’ny Fitsaràna ara-bola,...

Tags les plus consultés

Mifandraisa form malina

Miarahaba,
Lasa soamantsara ny hafatra.

Ny ekipan’ny MALINA

Mifandraisa form malina

Diso

Miarahaba,
Avereno ny fangatahana azafady !

Ny ekipan’ny MALINA

Newsletter malina

Fanamarinana ny fisoratana anarana

Miarahaba,
Faly be izahay manamafy ny famandrihana anao amin'ny newsletter MALINA.

Ny ekipan’ny MALINA

Newsletter malina

Diso

Ny ekipan’ny MALINA

Mampiasa cookies ity tranonkala ity.

Rehefa manohy mizaha ity tranonkala ity ianao dia manaiky ny fampiasana cookies