Vaovao

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

[VIDEO] RIO TINTO QMM : "Miliara afa-drakotra"

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est !

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

[Vidéo] Covid-19 : "SAVA PAS!"

Grafita ao Brickaville : manjavozavo ny tombony ho an'ny mponina!

[VIDEO] Lavanilina sy jono, sehatra ianjadian'ny kolikoly

Fanondranana omby an-tsokosoko eto Madagasikara

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

[VIDEO] RIO TINTO QMM : "Miliara afa-drakotra"

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est !

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

[Vidéo] Covid-19 : "SAVA PAS!"

Grafita ao Brickaville : manjavozavo ny tombony ho an'ny mponina!

[VIDEO] Lavanilina sy jono, sehatra ianjadian'ny kolikoly

Fanondranana omby an-tsokosoko eto Madagasikara

Hijery vaovao hafa.
Vaovao

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

[VIDEO] RIO TINTO QMM : "Miliara afa-drakotra"

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est !

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

[Vidéo] Covid-19 : "SAVA PAS!"

Grafita ao Brickaville : manjavozavo ny tombony ho an'ny mponina!

[VIDEO] Lavanilina sy jono, sehatra ianjadian'ny kolikoly

Fanondranana omby an-tsokosoko eto Madagasikara

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

[VIDEO] RIO TINTO QMM : "Miliara afa-drakotra"

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est !

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

[Vidéo] Covid-19 : "SAVA PAS!"

Grafita ao Brickaville : manjavozavo ny tombony ho an'ny mponina!

[VIDEO] Lavanilina sy jono, sehatra ianjadian'ny kolikoly

Fanondranana omby an-tsokosoko eto Madagasikara

Hijery vaovao hafa.

Fiverenana amin’ny tetik’asa « Toekarena manga »-n’ny AMDP

y an’ity lahatsoratra ity no hahatsiaro ny adihevitra taorian’ny fanaovan-tsonia tany Bejing (Pékin), ny 05 septambra 2018, teny an-kilan’ny Loabariandasin’ny Fiarahamiasan’i Sina sy Afrika (FOCSA) ny fifanarahana fampiasam-bola any amin’ny sampana « ny toekarena manga » izay mahatratra 2 ,7 lavitrisa dolara amerikana. Ny fifanarahana dia nifanaovan’ny Sampan-draharaha Malagasy momba ny fampandrosoana ara-toekarena sy fampivoarana ny orinasa (AMDP) sy ny fivondronan’ny mpampiasa vola sinoa Tahie Century Investment Developments Co. Ltd, na 太和世纪(北京)投资发展有限公司 amin’ny soratra sinoa.

Nosoratan’i Tahiry Rabenasolo (Solon’anarana)

Maro mpamaky an’ity lahatsoratra ity no hahatsiaro ny adihevitra taorian’ny fanaovan-tsonia tany Bejing (Pékin), ny 05 septambra 2018, teny an-kilan’ny Loabariandasin’ny Fiarahamiasan’i Sina sy Afrika (FOCSA) ny fifanarahana fampiasam-bola any amin’ny sampana « ny toekarena manga » izay mahatratra 2 ,7 lavitrisa dolara amerikana. Ny fifanarahana dia nifanaovan’ny Sampan-draharaha Malagasy momba ny fampandrosoana ara-toekarena sy fampivoarana ny orinasa (AMDP) sy ny fivondronan’ny mpampiasa vola sinoa Tahie Century Investment Developments Co. Ltd, na 太和世纪(北京)投资发展有限公司 amin’ny soratra sinoa.

I Hugues RATSIFERANA, Tale Jeneraly, no nanao ny sonia avy aty amin’ny AMDP ary ny avy any amin’ny Tahie dia i Miao JIRONG,Tale Mpanatanteraka

Ahoana no nahatonga an’ireo rafitra roa ireo ho tafaraka tany Beijing ka nanao Sonia io fifanarahana io? Nisy solontenan’ny AMDP nanantitrantitra imbetsaka imasom-bahoaka, tamin’ny alalan’ny filazana an-gazety sy tamin’ny fihaonana tamin’ny fiarahamonim-pirenena, fa nisy orinasa hafa natonina mba hiantoka ny tetikasa fa dia ny Tahie irery ihany ny nanaiky hampiasa vola ary nanaiky ny hanaja ny “soatoavin”-ny AMDP izay ahitana manokana ny fanaingana ny fampandrosoana eny an-toerana. Ary mbola araka ny filazan’ny AMDP ihany ny Tahie, hono, dia ahitana fianakaviana mpitantana orinasa miasa amin’ny sehatry ny fanamboaran-tsambo efa hatramin’ny taranaka maro nifandimby

Iza no ao an-damosin’ny Tahie ?

Mampahatsiahy ny nisafidianana ny Ferrum Mining ho mpiara-miombona antoka amin’ny Kraoma S.A. ny fiarahana miombona antoka amin’ny Tahie dia notanterahina tao anatin’ny haizina tanteraka ary tsy nanaraka ny dingana  arahina amin’ny tolotr’asa. Ny AMDP dia namaly ny fitsikerana fa tsy ilaina ny hanapariahana ny antsipirian’ny fifanarahana, satria ny andaniny roa dia samy tsy miankina amin’ny fanjakana ka ny fifanarahana nifanaovany dia ry zareo ihany no voafatotra amin’izany. Satria mantsy, na dia ohatra ny milaza aza ny anarany fa an’ny fanjakana izy  dia fikambanana manaraka ny satan’ny tsy miankina no isoratan’ny AMDP eto Madagasikara.

Na izany aza anefa, na ny fidiran’ny prezida teo aloha tao amin’ny rafitry ny AMDP, na ny fidadasiky ny fifanarahana dia misarika ny saina hitsipaka io fieboeboana io. Ny tetik’asa voalaza amin’ilay fifanarahana mantsy dia mitaky fandraisana anjara matevina avy amin’ny fahefana ara-panjakana, na dia eo amin’ny famoahana alalana amin’ny jono fotsiny aza.

Nisy fanadihadiana natao niaraka tamin’ny l’Organized Crime and Corruption Reporting Project (OCCRP) tamin’ny alalan’ny tahirin-keviny “Investigative Dashboard” izay nahafahana nanangona vaovao niteraka ahiahy lehibe momba ny fanambarana nataon’ny AMDP mikasika ny fahatokisana tokony hapetraka amin’ny orinasa Taihe.

Voalohany indrindra ny orinasa Taihe dia nanana ny foibeny tao amin’ny distrikan’i Beijing(No.-028, 8th Floor, No. 9 North Fourth Ring Road, Haidian District, Beijing) hatramin’ny janoary 2018, talohan’ny nifindrany tany amin’ny distrikan’i Chaoyang (908, 9th Floor, Building 2, No. 10, Wangjing Street, Chaoyang District, Beijing). Nilaza anefa ny manam-pahefana mpitondra any amin’ireo distrika roa ireo fa ny Taihe dia tsy hita hifandraisana any amin’ireo io adiresy io, hany ka dia naiditra ao amin’ny lisitry  raharaha hafahafa izy tamin’ny 2015 sy 2018 ho fampiharana ny andininy 9 momba ny Interim Measures for the Management of Business Exceptions, bokim-panjakan’ny Firenena sinoa miandraikitra ny fijerena izay orinasa tsy manefa ny adidiny amin’ny famoahana sy fiarahamiasa amin’ny manam-pahefana eo amin’ny fitondrana. Izahay manokana koa dia nanandrana nifandray tamin’ny Taihe an-telefona fa tsy nahomby. Ny laharan’ny telefonany rahateo dia ifampizarany amin’ny orinasa roa hafa izay, raha ny fijery azy voalohany, tsy manana zavatra hafa ifandraisana amin’ny Taihe afa-tsy io laharana telefona io, toy izany koa ny orinasa fahatelo izay ny Taihe no tompon’ny petrabola miasa ao be indrindra.

Tamin’ny fotoana nanaovana sonia ny fifanarahana, Andriamatoa Miao (soratana koa hoe Miu na Yan) JIRONG (soratana matetika hoe JINRONG  (缪晋荣 amin’ny soratra sinoa notsotsorina) no mpitantana, tale mpanatanteraka,  tompon’ny vola miasa be indrindra 99% ary solontenan’ny Taihe eo anatrehan’ny lalàna. Andriamatoa Li GANG (李钢) no mpanaramaso akaiky sady tompon’ny vola miasa kely indrindra. Folo andro taorian’ny nanaovana ny Sonia, Atoa Jirong dia nosoloin’ Andriamatoa Chen CHUN (陈春) teo amin’ny toeran’ny mpitantana sy tale mpanantanteraka ary solontenan’ny orinasa noho ny antony tsy fantatray. Ny Taihe izany dia tsy manana afa-tsy mpanana petrabola afa-tsy roa, noho izany izy dia tsy fivondronan’ny orinasa fito araka ny filazan’ny AMDP.

Taona maro nananana traikefa tamin’ny “toekarena manga”?

Ny Taihe dia orinasa mpampiasa vola. Nefa, tsy misy na iray aza tranombarotra nampiasan’i Taihe ny volany ka voasoratra ho nisahana raharaha momba ny fanamboarana sambo na ny toekarena manga amin’ny ankapobeny talohan’ny nanaovany fifanarahana tamin’ny AMDP.  Dia mitovy amin’izany koa ny momba ny orinasa hafa naha tompon’andraikitra an’Atoa Jirong sy Atoa GANG.

Tamin’ny daty nanaovana ny Sonia niaraka tamin’ny AMDP ny 05 septambra 2018, ny Taihe dia tsy nanana petrabola afa-tsy tao amin’ny orinasa roa:

Fa Atoa JIRONG dia nanana manokana ampaham-petrabola tany amin’ny tranombarotra telo tsy mihodina intsony ankehitriny, dia any amin’ny tranombarotra iray fahefatra mbola mihodina:

Fa Atoa Gang kosa dia nitana andraikitra maro tany amin’ireny tranombarotra voatanisa teo ireny. Ny hany kofehy tokana hita ho mampifamatotra ny Taihe amin’ny olona manana petrabola ao aminy sy ny sehatry ny toekarena manga dia mandalo amin’Andriamatoa Guo ZHENZHONG (郭振忠), olona niara-nitantana tamin’Atoa JIRONG ny tranombarotra Beijing Hengtai Weiye Real Estate Development Co., Ltd (北京恒泰伟业房地产开发有限公司) teo anelanelan’ny taona 2000 sy 2010. Atoa ZHENZHONG dia manana petrabola any amin’ny orinasa misahana ny fanamboaran-tsambo, Fu’an Huanian Ship Development Co., Ltd. (福安市环澳船舶发展有限公司), sady mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantananan’ny Debon Logistics Co., Ltd. (德邦物流股份有限公司),izay misahana ny asa fitaterana an-dranomasina. Na izany aza, raha ohatra i Fu’an ka nangatahina hanao ny asa fanamboaran-tsambo ho an’ny Taihe noho ny fifanarahana nifanaovany tamin’ny AMDP dia mety hampiahiahy ihany izany satria izy dia efa voarohirohy tamin’ny tetika famotsiam-bola tratra tamin’ny 2018

a dia nitana andraikitra maro tany amin’ireny tranombarotra voatanisa teo ireny. Ny hany kofehy tokana hita ho mampifamatotra ny Taihe amin’ny olona manana petrabola ao aminy sy ny sehatry ny toekarena manga dia mandalo amin’Andriamatoa Guo ZHENZHONG (郭振忠), olona niara-nitantana tamin’Atoa JIRONG ny tranombarotra Beijing Hengtai Weiye Real Estate Development Co., Ltd (北京恒泰伟业房地产开发有限公司) teo anelanelan’ny taona 2000 sy 2010. Atoa ZHENZHONG dia manana petrabola any amin’ny orinasa misahana ny fanamboaran-tsambo, Fu’an Huanian Ship Development Co., Ltd. (福安市环澳船舶发展有限公司), sady mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantananan’ny Debon Logistics Co., Ltd. (德邦物流股份有限公司),izay misahana ny asa fitaterana an-dranomasina.

Na izany aza, raha ohatra i Fu’an ka nangatahina hanao ny asa fanamboaran-tsambo ho an’ny Taihe noho ny fifanarahana nifanaovany tamin’ny AMDP dia mety hampiahiahy ihany izany satria izy dia efa voarohirohy tamin’ny tetika famotsiam-bola tratra tamin’ny 2018.

Fujian Julong Fishery

Efa herinandro vitsivitsy taty aorian’ny nanaovana sonia an’ilay fifanarahana, ny 25 septambra 2018, ny Fujian Julong Fishery Co., Ltd. (福建聚龙渔业有限公司), orinasa misahana manokana ny jono, vao voasoratra tany Sina, miaraka amin’ny Taihe ho manana petrabola be indrindra (80%). Ny ambin’ny petrabola dia voasoratra amin’ny anaran’Andriamatoa Chen DEMING (陈德明), izay sady mitana ny andraikitry ny mpanaramaso ao amin’ny Fujian, ary Andriamatoa Cai YIJIAN Chen DEMING (陈德明), no tale mpanatanteraka sy mpitantana .
Hita miharihary fa ny Fujian dia noforonina mba hampandehanana ilay fifanarahana nosoniavina niaraka tamin’ny AMDP. Tsy bikan’ny vondron’orinasa efa manana traikefa nandritra ny taona maro tao amin’ny toekarena manga izany, mifanohitra amin’izay voalazan’ny AMDP momba azy. Tena tsy izany mihitsy satria tsy misy olona na iray aza mifampikasoka mivantana na lavitra amin’ny Taihe ka hita ho manana fahaizana hoenti-manatontosa fifanarahana avo lenta toy io.

Miao JIRONG

Endrika hita voalohany indrindra avy amin’ny Taihe, hany voatonona anarana any amin’ny fanambarana ofisialy, Atoa JIRONG dia mampiseho sarin’olona mpandraharaha efa tsara tombina. Na izany aza, ny renivola voasoratra ao amin’ny Taihe dia tsy mahatratra afatsy latsaka kelin’ny 1,5 tapitrisa dolara amerikana tamin’ny fotoana nanaovana sonia an’ilay fifanarahana. Ny tontalin’ny vola novinavinaina ho an’ny dingana voalohan’ny tetik’asa miaraka amin’ny ADMP raha izany dia mifanentana amin’ny in-500 heny ny renivolany voasoratra. Marihina fa roa ambin’ny folo andro taorian’ny nanaovana sonia ny fifanarahana, izany hoe ilay andro koa izay nanoloana an’Atoa JIRONG tamin’Atoa CHUN tamin’ny andraikitra nosahaniny, dia nampitomboina in-15 ny renivola voasoratry ny Taihe, ka nahatratra 25 tapitrisa dolara amerikana latsaka kely. Marihina koa anefa fa ny renivola tena narotsaka tao amin’ny kaontin’ny orinasa dia tsy nihetsika. Ity koa mbola anjomara fanairana iray : ano amin’ny tatitra roa fanaony isan-taona ny Taihe dia sady tsy nanambara na tombombarotra na vola niditra.

Mbola mampiahiahy lavitra koa, Atoa JIRONG dia voasoratra ao amin’ny lisitry ny olona tsy mendrika fitokisana avy amin’ny tribonalin’ny Fitsaram-bahoakan’i Jiaocheng de Ningde (Sina) tamin’ny janoary 2018. Ny tenany manokana moa dia bokan’ny trosa maherin’ny 1,2 tapitrisa dolara amerikana.

Sarin’i Yan JINRONG, navoakan’ny gazety sinoa SOHO tamin’ny fotoana nanoratana azy tao amin’ny lisitry ny olona tsy mendika fitokisana

Fa ny mpitondra ny AMDP ve dia tsy mba nanadihady ny amin’ny maha azo antoka na tsia ny mpiara-miombona antoka aminy alohan’ny hanaovana sonia fifanarahana avo lenta tahaka itony ? Sa mifanohitra amin’izany, fantany tsara ve ny endrika tsy azo antoka loatra ananan’ny Taihe sy ny mpanana petrabola be indrindra ao aminy ? Raha nifandraisana tamin’ny « mailaka » ny mpitondra ao dia tsy namaly ny fangatahanay. Ny fanokafana fanadihadiana ataon’ny manam-pahefana ny amin’izany,  indrindra indrindra ny BIANCO,  dia mety hahalalana kokoa ny antony marina nanaovana io fifanarahana teo amin’ny AMDP sy ny Taihe io, ary hamaritana mazava ny mety ho anjara toeran’ny kolikoly ato amin’ity raharaha ity.

Fampitahana ahalalan-javatra

Ho famaranana, mahaliana ny mijanona kely amin’ny fifanarahana iray hafa efa natao momba ny jono, vita sonia tamin’ny 2011 tao anatin’ny toe-draharaha samy maizin-kitroka  nifanaovan’ny filoha maoritaniana, Mohamed Ould Abdel Aziz,  sy ny kaompania sinoa Poly Hon Done Pelagic Fisheries Co. Ltd. (宏东渔业股份有限公司 amin’ny soratra sinoa), indraindray antsoina hoe Poly Hong Dong Pelagic Fisheries Co. Ltd. na Fuzhou Hong Dong Pelagic Fisheries Co. Ltd. Izy ity dia voampanga ho nampitondra faisana be dia be ny tontolo iainana sady nanafoana ny harena an-dranomasina maoritaniana.

Nitombo izay tsy izy ny fanondranana trondro avy any amin’ny ranomasina maoritaniana taorian’io fifanarahana io (niainga tamin’ny 292 tapitrisa dolara amerikana izy tamin’ny 2010 dia tonga 810 tapitrisa dolara amerikana ny 2017). Ankoatra izany, fantatra mahazo tombontsoa bebe kokoa ny orinasa vahiny raha avadiny ho lafarinina ny trondro azony, io dia ampiasaina any amin’ny fiompiana trondro toy izay hamidy eny amin’ny tsena eo an-toerana. Tany Maoritania ny fanondranana lafarinina avy amin’ny trondro dia niainga tamin’ny 35.000 taonina tamin’ny 2010 ary efa nanakaiky ny 120.000 taonina ny 2017, ary ny 50.000 taonina teo ho eo (ny 42%) dia naondrana nankany Sina.

Raha fifanarahana toy izany no ampiharina eto Madagasikara dia mety hizotra amin’io lalana io koa ny firenena. Na dia tsy nampahafantarina na oviana na oviana aza ny votoatin’ny fifanarahana manontolo nifanaovan’ny AMDP sy Taihe, raha ny isan’ny sambo voalaza dia azo vinavinaina ny habetsaky ny trondro voajono isan-taona izay manodidina ny 43 000 taonina ary ny 15% fotsiny no hamidy eto an-toerana. Raha ampitahaina amin’io ny fifanarahana momba ny jono nifanaovan’ny Vondrona Eoropeana sy Madagasikara nosoniavina tamin’ny 2007 ary nohavaozina tamin’ny 2014, dia latsaka intelo heny amin’io ny habetsany. Fampandrosoana ny toekarena manga sa famelana ny harena an-dranomasin’i Madagasikara ho an’ny tsena sinoa?

Lire la suite

Ces articles peuvent aussi vous intéresser

Articles les plus consultés

Articles récents

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

L’Office des mines nationales et des industries stratégiques (Omnis) traverse une mauvaise passe entre chute de recettes et dépenses incontrôlées. Analyse. « Nous attirons également...

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

Tombanana ho velarantany azo volena sady mahavokatra mihoatra ny 6000 ha no jerempotsiny ao Menabe. Mikorontana ny fitantanana ny tambazotra avy ao Dabara, tsy...

[VIDEO] RIO TINTO QMM : “Miliara afa-drakotra”

Hatramin’ny nisian’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ataon’ny orinasa Rio Tinto  QMM ao Taolagnaro, dia tsy mbola nanolotra ny kaonty fitantanam-bolany teny anivon’ny Fitsaràna ara-bola,...

Tags les plus consultés

Mifandraisa form malina

Miarahaba,
Lasa soamantsara ny hafatra.

Ny ekipan’ny MALINA

Mifandraisa form malina

Diso

Miarahaba,
Avereno ny fangatahana azafady !

Ny ekipan’ny MALINA

Newsletter malina

Fanamarinana ny fisoratana anarana

Miarahaba,
Faly be izahay manamafy ny famandrihana anao amin'ny newsletter MALINA.

Ny ekipan’ny MALINA

Newsletter malina

Diso

Ny ekipan’ny MALINA

Mampiasa cookies ity tranonkala ity.

Rehefa manohy mizaha ity tranonkala ity ianao dia manaiky ny fampiasana cookies