Vaovao

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

[VIDEO] RIO TINTO QMM : "Miliara afa-drakotra"

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est !

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

[Vidéo] Covid-19 : "SAVA PAS!"

Grafita ao Brickaville : manjavozavo ny tombony ho an'ny mponina!

[VIDEO] Lavanilina sy jono, sehatra ianjadian'ny kolikoly

Fanondranana omby an-tsokosoko eto Madagasikara

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

[VIDEO] RIO TINTO QMM : "Miliara afa-drakotra"

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est !

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

[Vidéo] Covid-19 : "SAVA PAS!"

Grafita ao Brickaville : manjavozavo ny tombony ho an'ny mponina!

[VIDEO] Lavanilina sy jono, sehatra ianjadian'ny kolikoly

Fanondranana omby an-tsokosoko eto Madagasikara

Hijery vaovao hafa.
Vaovao

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

[VIDEO] RIO TINTO QMM : "Miliara afa-drakotra"

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est !

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

[Vidéo] Covid-19 : "SAVA PAS!"

Grafita ao Brickaville : manjavozavo ny tombony ho an'ny mponina!

[VIDEO] Lavanilina sy jono, sehatra ianjadian'ny kolikoly

Fanondranana omby an-tsokosoko eto Madagasikara

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

[VIDEO] RIO TINTO QMM : "Miliara afa-drakotra"

Potehana amin’ny voly lomotra tsy ara-dalàna ny Mer d’Emeraude !

Vohibola, la forêt sacrifiée de l’Est !

[VIDEO] Vonjeo Anjozorobe Angavo!

[Vidéo] Covid-19 : "SAVA PAS!"

Grafita ao Brickaville : manjavozavo ny tombony ho an'ny mponina!

[VIDEO] Lavanilina sy jono, sehatra ianjadian'ny kolikoly

Fanondranana omby an-tsokosoko eto Madagasikara

Hijery vaovao hafa.

Mpanamboatra pasipaoro belza iray nandoa tsolotra hahazahoana tsenambarompanjakana teto Madagasikara

Ity lahatsoratra ity dia navoakan'ny Organized Crime and Corruption Reporting Project (OCCRP) tamin'ny teny anglisy ny 09 septambra 2020. Indro avoakanay etoana ny dikanteny malagasy amin'ity lahatsoratra ity, nahazahoana alalana avy amin'ny OCCRP.

Nosoratan’i Edward Maintikely sy ny OCCRP.

Nandoa 122.000 euros farafahakeliny – ary mety ho betsaka noho izany aza – izay voalaza fa fandoavambola tsy voafaritra,tamin’ny tompon’andraikitra ambony teo amin’ny governemanta malagasy teo aloha ny orinasa belza Semlex Group, araka ny mailaka anatiny tao amin’ny orinasa. Mailaka izay toa mampiseho fa ireo fandoavambola ireo dia takalon’ny fahazahoana fifanarahana ahazoam-bola amin’ny famokarana pasipaoro.
Ny Semlex dia mamokatra fitaovana biometrika ho an’ny vondrona toy ny Firenena Mikambana sy ny Vondrona eropeana ary raha ny resaka ofisialy, dia hiadiana amin’ny hosoka no tanjona. Kanefa efa nahitana tantara ratsy ity orinasa ity ao Afrika, ary efa voampanga imbetsaka izy hoe nanao kolikoly. Efa navoakan’ny OCCRP ny fomba nanoloran’ny orinasa vola ny tompon’andraikitra ambony ho tambin’ny fahazahoana fifanarahana ara-panjakana avy amin’ilay mpanao didy jadona Gambiana taloha, Yahya Jammeh, ary ny nanampian’ny Semlex mpivarotra solika lehibe iray handoa vola risoriso mba handrombahana tsenambarompanjaka tany amin’ny Repoblikan’i Congo.
Ankehitriny, misy fanadihadiana vaovao iray ahafahana manambara fa fomba toy izany no nampiasain’ny Semlex teto Madagasikara, izay namindrany vola mangingina tamina tompon’andraikitra ambony taloha teo amin’ny governemanta, dia i Lucien Victor Razakanirina, izay nisafidy an’ny Semlex hanamboatra ny pasipaoro biometrika malagasy fony izy Sekreterampanjakana miadidy ny filaminambahoaka.

Ny kaontim-bola izay azon’ny OCCRP dia mampiseho fa nandoa vola maherin’ny 120.000 euros tamin-dRazakanirina ny Semlex teo anelanelan’ny taona 2007 sy 2009 tamin’ny alàlan’ny« virements » maro tsy voafaritra sy “frais de consultance” isambolana.Ny tarehimarika avy amin’ny mailaka anatiny dia nanondro fa nahazo vola isambolana mitentina an’arivony euros maro izy nandritra ny taona 2010 sy ny voalohan’ny 2011. Raha nohatonin’ny mpanao gazety Razakinirina, 75 taona, dia nanamarina fa niasa tamin’ny Semlex amin’ny maha-“consultant” azy izy, saingy tsy nanaiky hanome fanampim-mpanazana holazaina amin’ity lahatsoratra ity ny tenany. Tamin’ny taona 2010, dia tompon’andraikitra ambony iray hafa no nantonin’i Semlex, dia i Hyppolite Rarison Ramaroson, mba hiaro ny tombontsoany ao amin’ny Fanjakana. Rehefa voaroaka tamin’ny asany i Ramaroson, dia nanao tetika miafina ny talem-paritry ny Semlex mba hamarenana azy ao amin’ny governemanta.

Ankehitriny dia mbola ny Semlex ihany no manamboatra ny pasipaoro malagasy. Mitovy sahala amin’ny karama farany ambany eto Madagasikara ny saran’ny fanaovana pasipaoro iray kanefa ny ankamaroan’ny Malagasy dia mandraylatsaky ny 2 dolara isan’andro.

“Mazava ho azy fa io sarany 190.000 ariary io dia lafo tokoa raha ampitahaina amin’ny karamantsika eto Madagasikara,” hoy i Marie Lucie, mpampianatra izay manan-janaka vavy mipetraka any Alemana. “Lany andro vao haingana ny pasipaoroko – izany hoe mila mandoa an’io vola io indray aho. Raha vao nahazo ny pasipaoroko voalohany aho dia 128.000 ariary ny vidiny, ka azo antoka fa hisy fiatraikany amin’ny tetibolako io fiakarana io.”
Tsy nanaiky haneho ny heviny ireo solontenan’ny Semlex eto Madagasikara, ary nampatsiahy ny toromarika azony avy amin’ny foibeny. Ireo tompon’andraikitra ao amin’ny governemanta koa dia tsy namaly ny fangatahan-kevitra momba an’ity lahatsoratra ity.

Fandoavam-bola miafina

Efa folo taona mahery ny Semlex no niserasera voalohany tamin’ny governemantan’i Madagasikara, rehefa nanomboka nihitatra tao Afrika ny orinasa, tamin’ny voalohan’ny taona 2000. Tamin’ny Mey 2006, nasain’ny Semlex I Razakanirina, izay Sekreterampanjakana tamin’izany fotoana izany, hamonjy ny foibeny any Bruxelles mba hidinika momba ny famokarana pasipaoro. Nanao sonia fifanarahana tamin’ny orinasa iny volana iny ihany ny Fanjakana malagasy ary latsaky ny herintaona taty aoriana, ny volana febroary 2007, dia nanomboka namokatra ny pasipaoro Malagasy ny Semlex.

Sary : OCCRP. Taratasy avy amin’ny CEO an’ny Semlex, Albert Karaziwan, manasa an’i Lucien Victor Razakanirina, Sekreterampanjakana miadidy ny filaminambahoaka tamin’izany, ho any Bruxelles.

Nanome tombontsoa betsaka ho an’ny Semlex ny fifanarahana, satria nahazoany toerana hatao birao maimaimpoana, tombombarotra tsy tataovanketra ary fanafoanana fadintseranana ho an’ny vola tombony rehetra mifandraika amin’ny fifanarahana ka tian’ny orinasa hiverina any Eoropa. Isaky ny pasipaoro amidy 60.000 Ariary, na 22 euros teo ho eo tamin’izany, dia nitazona 15,50 euros ny orinasa. Mbola namerina nifampiresaka momba ny anjarany aza ny Semlex, ka nanampy eurosamboninyisaky ny pasipaoro, volana maromaro talohan’ny fanombohan’ny famokarana.

Ambany lavitra kokoa anefa ny vidin’ny fanaovana pasipaoro. Nisy fifanarahana nahitana fa teo anelanelan’ny 2006 sy 2009 ny Semlex dia nividy nybokikely tamin’ny orinasa Imprimerie Nationale amin’ny vidiny 2 euros na latsaka kely ny singany – ampahany amin’ny vola ampandoaviny ny olompirenena malagasy.

Araka ny fandaminan’izy ireo, I Razakanirina – izay nandao ny toerany tao amin’ny governemanta tamin’ny janoary 2007 – dia tokony handray 2 euros isaky ny pasipaoro, ary izany dia tsy misy antony mazava. Ny antontantaratasy anatiny, isan’izany ny mailaka sy ny kaontimbola, dia mampiseho fa nandoa vola an’arivony eurostaminy ny Semlex tamin’ny alalan’ny “transactions” maromaro. Anisan’izany ny fandoavam-bola roa tamin’ny 2007 izay mitontaly 23 900 euros eo, izay nantsoin’ny orinasa hoe “frais internes” ao amin’ny firaketana ny kaonty sy ny taratasy, izay azon’ny OCCRP. Tamin’ny volana Janoary 2008, namindra vola teo amin’ny 19 600 euros tamin-dRazakanirina koa ny Semlex nefa tsy nilaza antony. Ny volana manaraka dia nametraka 6 500 euros fanampiny ho azy indray ny mpiasan’ny Semlex iray eto Madagasikara, izay voatanisa ao amin’ny kaontin’ilay orinasa ho “frais exceptionnels.”

Ny ampahany tamin’ireo fandoavam-bola ireo dia nalefa tao amin’ny kaonty frantsay an-dRazakanirina avy tamin’nySemlex Europe S.A., ny ampahany sasany kosa dia ny mpiasan’ny Semlex eto Madagasikara no manatitra aminy ny vola.

Rehefa nisy vola 7000 euros lasa tsy nahy tany aminy avy amin’ny kaonty Semlex teto Madagasikara, ny volana novambra 2008, dia taitra izy ka nitodika tamin’nytalemparitrin’ny Semlex ho an’ny atsimon’i Afrika sy ny Ranomasimbe Indiana, Guy Ramahay. “Efa niresaka tamin’i Lucien aho androany maraina,” hoy i Ramahay, raha nanoratra mailaka ho an’i Michele Bauters, talen’ny fitantanam-bolan’ny orinasa.tamin’ny 28 novambra, “Somary natahotra [izy], saingy nilaza taminy aho mba hanomana faktiora ho an’ny asamaha consultant azy aty Afrika” hanamarinana ny famindram-bola.

Raha hatotaly, araky ny mailaka roa avy tamin-dRazakanirina ho an’ny talen’ny fitantanambolan’ny Semlex, dia nandoa vola 122.000 euros taminy farafahakeliny ny orinasa teo anelanelan’ny Mey 2007 sy Novambra 2009. Raha nantonina nandritra ny fanantanterahana ity fanatsikafonana ity i Tsanta Randrianarimanana, mpitsara ary sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsarana Malagasy teo aloha, dia nilaza fa “tsy ara-dalàna tanteraka” ny fandoavam-bola avy amin’ny orinasa tsy miankina amin’ny minisitra amin’ny toe-javatra toy izao, araka ny lalàna malagasy. “Raha hatao amin’ny kaontin’ny minisitra ny fanadihadiana na ny tsara kokoa aza dia hatao amin’ny kaontin’ny orinasa niavian’ny famindram-bola dia tsy mila porofoina intsony ny kolikoly. Voamarina tsara izany,” hoy izy.

Sary : Edward Maintikely sy OCCRP.Ny ivelany (ambony) sy ny ao anaty ny pasipaoro malagasy novokarin’i Semlex

Tamin’ny 2009, nandefa mailaka ho an’ny tale jeneralin’ny Semlex Group, Albert Karaziwan,I Razananirina ary nangataka ny hanovana ny fandoavam-bola manaraka ho lasa 3.500 euros isam-bolana, ho tambin’ny asa nataony.

“Amin’izay aho dia hahazo aina ara-bola kokoa ary ary tsy hanahirana anao isaky ny mandeha… Ho consultant an’nySemlex any amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina aho, araky ny nolazainao, ary afaka manampy ny mpandraharahanao (tena mahomby) any Tana aho raha ilaina”», hoy ihany izy.

Toa tanteraka tokoa ny fangatahany satria nahazo 3.500 euro isam-bolana izy hatramin’ny voalohan’ny taona 2011, rehefa nandefa mailaka tamin’i Karaziwan i Ramahay, talemparitry ny Semlex, mba hilaza aminy fa nanolotra fampihenanana ny vola raisin-dRazakinirina isambolaana izy.

Tsy dia mitondra firy i Tana raha ampitahaina amin’i Kaomoro, nefa ny sarany ao Kaomaoro dia avo roa heny noho ny an’i Tana,” hoy izy nanoratra, niresaka momba ny fifampiraharahana nataon’ny Semlex tao amin’io nosy kely izay latsaky ny iray tapitrisa ny mponina ao aminy io”, ary nanampy hoe: “Ary ny isan’ny pasipaoro navoaka tao Kaomoro dia efa nihoatra ny an’i Tana”.

Ny ampitson’io dia nankatoavin’i Karaziwan ny fanapahana ny vola aloa amin-dRazakanirina ho 2.750 euros isam-bolana sisa.

Raha nitohy io fandoavam-bola isam-bolana io nanomboka tamin’ny 2011, dia midika izany fa efa nokaramaina amin’ny euros aman’hetsiny izy nandritra izay taona maro izay. Nohamarinin-dRazakanirina tamin’ny OCCRP fa niasa amin’ny maha “consultant” azy ho an’ny Semlex izy, saingy tsy nety naneho hevitra momba ny karamany izy. Nolaviny koa ny hanazava ny asa ataony ho an’i Semlex

Raharaham-pianakaviana

Nahazo vola tamin’ny Semlex koa Razakanirina rehefa nanakarama ny orinasany manokana izay manao taotrano mba hanavao ny biraon’ny orinasa eto Antananarivo, izay toerana ampidiran’ny mpiasa ireo angona biometrika amin’ny boky pasipaoro.
ERAC no anaran’ilay orinasan-dRazakanirina manao taotrano, ary ny zanadrahalahiny, Tsiry Rakotondramanana, no nitantana azy tamin’izany. Teo anelanelan’ny Oktobra 2006 sy Janoary 2007, araka ny hita amin’ireo antonta-taratasy azo, dianitentina 47 tapitrisa ariary ny faktioran’ny ERAC ho an’ ny Semlex mba hanavaozana ireo birao ireo.

Nisy mailaka maromao avy amin’ilay mpandraharahan’ny Semlex,Xavier Davard, izay milaza fa toa be loatra ny vola takian’ny ERAC amin’ny asa ataony. “Manitatra ny vidiny ihany i Tsiry”, hoy ny nosoratany tamin’ny hafatra iray tamin’ny volana Janoary 2007.Ny Semlex kosa anefa tsy nisalasala nandoa ny volan’ny ERAC. Tsy nety nilaza ny heviny ihany Razakanirina. Tsy tratra antso mihitsy kosa Rakotondramanana

Sary : Edward Maintikely sy OCCRP. Ny fidirana amin’ny trano “annexe” ao amin’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka miorina ao anatin’ny fari-piasan’ny Ministeran’ny Atitany.

« Tetikamaizina »

Nandao ny toerany tao amin’ny governementa tamin’ny Janoary 2007 i Razakanirina, taorian’ny nahazahoan’ny Semlex ilay fifanarahana tamin’ny governemanta. Tsy mazava ny zavatra nataony taorian’ny nialàny tamin’io toerana io, saingy ny lisitr’ireo varotra eto Madagasikara dia mitanisa azy ho mpitantana ny Import-Export Hery S.A.R.L., orinasa noforonina tamin’ny taona 2001 izay voalazafa manafatra sakafo sy manondrana vokatra any an-toerana, anisan’izany ny hazo. Ny OCCRP dia tsy afaka nanamafy raha toa ka mbola miasa izany orinasa izany.

Nanohy nandoa vola ho an-dRazakanirina ny Semlex nandritra ny taona maro, saingy niharihary fa nihena ny heriny ara-politika. Noho izany dia tsy nahazo ny tsenahanaovana karapanondrom-pirenena tamin’ny taona 2007 ny orinasa, na teo aza ny fanohanany. Ny taona manaraka dia nisy mpiasan’ny Semlex iray teto Madagasikara nampandre an’i Karaziwan sy Ramahay fa nisy orinasa iray hafa nahazo tolobidim-panjakana izay tsy fantany akory ny fisiany

Taorian’ny nazahoan’ny fiitondrana tetezamita fahefana, notarihin’ny filohampirenena ankehitriny Andry Rajoelina, tamin’ny 2009, dia nanantona mpitsikilo vaovao ny Semlex. Tamin’ity indray mitoraka ity dia nisafidy ny amiraly lefitra Hyppolite Ramaroson izy, izay minisitry ny raharaham-bahiny teto Madagasikara tamin’izany fotoana izany ary iray amin’ireo praiminisitra lefitra telo tetoamin’ny firenena.

Ramaroson dia nalaza ho “tena mpanao kolikoly”, araka ny tatitradiplomatika amerikana tamin’ny taona 2010 navoakan’ny Wikileaks, izay nilaza fa mifandray amin’ny “fanararaotam-pahefana teo aloha sy ny tsolotra mahakasika ny programa fanampiana [avy amin’ny governemanta amerikana]. ”
Iray volana taorian’ny nidiran-dRamaroson amperinasa, ny volana febroary 2010, dia nanendry an’i Karaziwan ho mpanolotsaina manokana ao amin’ny Ministeran’ny raharahambahiny eto Madagasikara izy. Tompon’andraikitra ankehitriny iray avy amin’ny minisitera no nilaza fa tsy Tale jeneralin’ny Semlex amin’izao fotoana izao intsony izy io, saingy tsy afaka nanome porofo. Nesorina tamin’ny toerany maha praiminisitra lefitra azy Ramaroson herintaona taty aoriana, noho ny « antony ara-politika », araka ny filazan-dRamahay tamin’ny mailaka nalefany tamin’i Karaziwan.
Nangataka tamin’ny Tale jeneralin’ny Semlex i Ramahay mba hanampy an-dRamaroson hiverina eo amin’io toerany manam-pahefana teo aloha io sady nilaza fa afaka mitana « andraikitra lehibe amin’ny “lobbying” izy.” Tao amin’ny mailaka iray; dia nilaza Ramahay fa nanolotra sosokevitra ity minisitra teo aloha ny hampanasoniavina ny “solombavambahoakan’i Belzika, solombavambahoaka eropeana, filohampirenena” taratasy ho an’ny Filoha Rajoelina izay manameloka ny fanesorana and-Ramaroson amin’ny governemanta.
Ho setrin’ny fanohanan’ny Semlex, dia nilaza Ramahay fa nanaiky ny handray anjara amin’ny “andraikitra sy tetikamaizina” – mety momba ity fanaovana solontena miafina ho an’ny orinasa ity no tiana lazaina – hametrahana fifandraisana akaiky amin’ny filoha Rajoelina, ary hahazo ny fanohanany, izy.
Iraika ambin’ny folo andro taty aoriana, nanome tetika hafa ho an’i Karaziwan i Ramahay, nanolotra an’i Semlex hanampy an-dRamaroson amin’ny fikasany hiatrika ny fifidianana ho filohampirenena 2011, izay nahemotra taty aoriana.

“Ny Amiraly sy ny antoko izay manolotra azy dia nahita orinasa fahitalavitra sy radio iray amidy. Mitady vola sahabo 30 000 euros izy ireo”hoy izy nanoratra. “Ny soso-kevitro, toy izay hamatsy vola, dia aleo mandray anjara ho mpiombonantoka ao amin’ity haino aman-jery ity isika, amin’io vola izay tadiaviny io. Efa manana mpiasa izy ireo.

Tsy fantatra raha namaly izany sosokevitra hoe hanome fanohanana ara-bola an-dRamaroson izany I Karaziwan, saingy tsy nilatsaka hofidina ho filohampirenena izy ary tsy nitana andraikitra hafatao amin’ny governemantaintsony. Tsy tratra antso mihitsy Ramaroson, mba hanomezany ny heviny momba ireo fanambarana ireo.

Faniriana ho eny an’habakabaka…

Tamin’ny 2010, dia nanandrana ny hanampyny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka Air Madagascar ihany koa ny talem-paritry ny Semlex mba hampitohy an’i Madagasikara sy Frantsa, mandalo ny nosy Kaomaoro. Saingy tsy tanteraka izany.
Tamin’izany dia voasoratra ho filohan’ny Air Océan Indienizay orinasa kaomoriana tazonina orinasa iray hafa any an-toerana (Leignon Synergie Comores), I Ramahay. Araka ny antonta-taratasy azo, tamin’ny 2010 io Leignon Synergie Comores io dia an’i Karaziwa ny 70% ary an’ny orinasa belza Leignon Synergie SA ny 30% ambiny, orinasa izay notantanin’ny Tale jeneralin’ny Semlex ihany koa.
Nanokatra fifampiraharahana tamin’ny orinasa amerikana Gibbs International Inc. Ramahay hividianana fiaramanidina Boeing 767 ho an’ny Air Madagascar. Saingy tsy tanteraka ny tetikasa rehefa nandà ny fitondrana kaomorianinany hanamarina ny Air Océan Indien ho mpitatitra fiaramanidina, araka ny taratasy iray nalefan-dRamahay ho an’ny minisitry ny Fitateranasy ny Fizahantany teto Madagasikara.
Niezaka indray i Ramahay hahazo taratasy fanamarinana ho an’ny Air Océan Indien tamin’ny 2011, rehefa voarara tsy hahazo hisidina amin’ny habakabaka eoropeana ny fiaramanidin’i Air Madagascar noho ny lafiny fiarovana. Saingy mbola tsy nahombyihany koa ity tetika ity.

Sary : Edward Maintikely sy OCCRP. Ny fidirana amin’ny biraon’ny Ministeran’ny Atitany, izay ahazoan’ny olompirenena malagasy pasipaoro.

“Noheverin’izy ireo fa sandoka”

Nohavaozina tamin’ny 2013 ho an’ny folo taona fanampiny ny fifanarahan’ny Semlex amin’ny famatsiana pasipaoro malagasy. Raha ny filazan’ny Reuters, ny fifanarahana vaovao dia namela an’i Semlex nahazo 33,75 euros isaky ny pasipaoro – avo roa heny noho ny azony tamin’ny fifanarahana teo aloha. Na eo aza ny asan’ny Semlex eto Madagasikara, dia tototry ny olana ny ao aminy. Taona vitsy faramparany teo, dia nampihato imbetsaka ny famoahana pasipaoro mihoatra ny orinasa, noho ny olana eo amin’ny sehatry ny famokarana.

Nitaraina ihany koa ny olompirenena malagasy fa mbola miteraka olana ara-teknika ny pasipaoron’ny Semlex. Vehivavy 35 taona, tompona orinasa iray, nangataka tsy ho tononina anarana noho ny tahotry ny fanenjehana, no nilaza fa saika hitsidika fianakaviana tany Alemana sy Frantsa tamin’ny taona 2018 fa nolavina ny fidirany tao Eoropa tamin’ny voalohany satria tsy hitan’ny « scan » teo amin’ny ny mpiasan’ny ladoanyalemana ny pasipaorony.

“Rehefa tonga tany amin’ny seranam-piaramanidina Frankfurt aho dia tsy nahazo niditra satria notenenin’ireo mpiasan’ny ladoany fa sandoka ny pasipaoroko, na dia efa [narahiko] ny fomba mahazatra hahazoana izany,” hoy izy. “Rehefa avy eo, nilaza tamiko izy ireo fa nanao fanamarinana teo amin’ny zotram-piaramanidina hafa ary nanambara fa ity [karazana] tranga ity dia mahazatra amin’ny pasipaoro malagasy. Tena tohina aho! ”

Lire la suite

Ces articles peuvent aussi vous intéresser

Articles les plus consultés

Articles récents

Industrie extractive : L’Omnis a mauvaise mine

L’Office des mines nationales et des industries stratégiques (Omnis) traverse une mauvaise passe entre chute de recettes et dépenses incontrôlées. Analyse. « Nous attirons également...

Dabara : havokavoka maina ao Menabe

Tombanana ho velarantany azo volena sady mahavokatra mihoatra ny 6000 ha no jerempotsiny ao Menabe. Mikorontana ny fitantanana ny tambazotra avy ao Dabara, tsy...

[VIDEO] RIO TINTO QMM : “Miliara afa-drakotra”

Hatramin’ny nisian’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ataon’ny orinasa Rio Tinto  QMM ao Taolagnaro, dia tsy mbola nanolotra ny kaonty fitantanam-bolany teny anivon’ny Fitsaràna ara-bola,...

Tags les plus consultés

Mifandraisa form malina

Miarahaba,
Lasa soamantsara ny hafatra.

Ny ekipan’ny MALINA

Mifandraisa form malina

Diso

Miarahaba,
Avereno ny fangatahana azafady !

Ny ekipan’ny MALINA

Newsletter malina

Fanamarinana ny fisoratana anarana

Miarahaba,
Faly be izahay manamafy ny famandrihana anao amin'ny newsletter MALINA.

Ny ekipan’ny MALINA

Newsletter malina

Diso

Ny ekipan’ny MALINA

Mampiasa cookies ity tranonkala ity.

Rehefa manohy mizaha ity tranonkala ity ianao dia manaiky ny fampiasana cookies